ka omena iraka manokana I “Mme Simone” Tale Jeneralin’ny Atitany. Matoa aho miteny an’izany aminareo sy mampandre ny vahoaka Malagasy, dia tsy matahotra satria marina; misy ihany koa fampivoriana sefom-pokontany mba hanao iraka manokana momba ny hala-bato, hoy izy. Nolazainy fa io Mme Simone io DGI no mampanao izany, ary izy mihitsy no mitety faritra manerana an’I Madagasikara. Efa mandefa tatitra any aminy ny mpiara-miasa eo anivon’ny Minisiteran’ny Atitany, ary milaza ireo fa sahy hijoro amin’ny fahamarinan’izany rehefa tonga ny fotoana, raha ny nambaran’I Marc Ravalomana. Io madama io, hoy izy, no manao ny iraka rehetra, ary matoa izaho Marc Ravalomanana no miteny an’izany, manana ny sata manokana aho, Filoha teo aloha, mahalala ny zavatra tokony hotenenina,“Homme d’Etat” aho no miteny an’izany, ary matoa ireo namany ireo no miteny an’izany, ireo fokontany ireo no miteny aminay hoe: efa tsy te hanao izahay fa dia mahazo tsiny. Isika manenjika foana ny CENI, fa ny ao amin’ny Minisiteran’ny atitany no maniraka olona mihitsy, ary aza manody ny mahazo ireo Prefe sy Lehiben’ny distria satria baiko, hoy I Marc Ravalomanana. Mikasika ny tenin’ny Minisitry ny Atitany Atoa Tokely Justin fa tsy mahazo mivory an-kalamanjana, dia ataoko aiza ireto olona ireto, hoy izy. Nahitsy nilaza tamin’io Minisitra io. “Mbola minisitra fotsiny mandalo ianao, ary fantatro, fantatray, azoko ny vaovao fa tsy ianao no nanoratra an’iny fa voatery ianao, olona hafa no nanao an’iny”, hoy I Marc Ravalomanana. Mariky ny fiakaran’ny ahiahy politika ara-pifidianana itony ampamoakan’ny mpanao politika itony, ary manomboka misy ihany koa no tonga saina fa tsy tokony hatao sorona amin’ny fifidianana maloto intsony ny firenena, fa aleo ny vahoaka hifidy izay tena mendrika hitondra azy. Andrasana ihany koa anefa izay mety ho setriny avy amin’ny olom-panjakana na minisitera voatonona eo anatrehan’ity ampamoaka ara-politika heverina fa tsy azo hamaivanina ity.
Toky R
Nanapa-kevitra ny hiara-dia amin’ny kandida laharana voalohany Tahina Razafinjoelina I Patrick Raharimanana
Nanindry mafy omaly my depiote Keron Idealson, voafidy tao Ampanihy andrefana fa tsy azo vakivakiana amin'izay
Variana amin’ny toe-java-misy ankehitriny aho, hoy ny mpahaifiarahamonina politika sady filohan’ny antoko politika Ny Fireneko, Paul Rabary,
Manoloana ny zava-miseho ankehitriny eo amin’ny sehatra politika, ny antoko politika Maitso hasin’i Madagasikara,
Taorian’ireo fihaonana samihafa nataon’ireo kandida toy ny tamin’ny FFKM, tamin’ny Vondrona Iraisam-pirenena,
Niresaka ny praiminisitra fa tsy azo ivalozana ny didy navoakan’ny HCC, hoy ny antoko politika Fiombonana.