airtel

Politique

28-janv-2026

Marc Ravalomanana nandray ny SADC

« Misy disadisa sy tsy mazava ny

Sample post image

fitantanana, tsy anaty lalàmpanorenana intsony,… »

28-janv-2026

Nandray ireo delegasionina avy amin’ny SADC (Southern African Development Community) tarihin’ny Dr Joyce Banda Filohan’i Malawi teo aloha ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana omaly talata 27 janoary 2026 maraina. Nisy ny fihaonana nikaton-trano teo amin’ny adin’ny iray teo ho eo teo aminy sy ireto iraky ny SADC ireto. Taorian’izay no nilazan’Atoa Marc Ravalomanana fa ny SADC no misahana an’i Madagasikara eo amin’ny fandaminana ny raharaham-pirenena, raha misy ady na fifankahazoana. Ny Filohan’i Malawi teo aloha, hoy izy, no misahana vonjimaika ny fandaminana. Milaza i Marc Ravalomanana fa ny zavatra tsy maintsy tanterahana dia tsy maintsy manaraka ny « protocole » an’ny SADC amin’ny fandaminana krizy. Nanana krizy ry zareo taloha avy eo milamina, ka isika mpikambana 100% ary raha misy krizy ny Firenena iray dia mifandampy sy mifandamina, hoy hatrany io Filoha teo aloha io. Izay « protocole » izay no entina handaminana an’i Madagasikara raha ny nambarany, ka henoina daholo ireo antoko politika. Nanazava ny tsy nanaovany sonian’ireo antoko 103 anefa i Marc Ravalomanana, izay nilaza fa lasa be loatra ilay izy. Anjarantsika eto Madagasikara ihany koa hoy i Marc Ravalomanana ny milaza aminy ny zava-misy satria « izaho efa nilaza fa misy disadisa, misy tsy mazava, mbola manjavozavo ihany ny fizotran’ilay fitantanana ny Firenena ». Moa ve isika ao anatin’ny « intérim» sa ao anatin’ny « transition » satria tsy fantatry ny olona rehetra, tsy fantatry ny Malagasy. Raha milaza izy fa « intérim » dia efa tapitra ilay 60 andro, dia miditra ao anatin’ny tetezamita isika, ka nilaza fa mbola mametraka izay fanontaniana ity Filoha teo aloha ity. « Mbola hiresaka amin’ny mpitondra ny SADC, nilaza fa isika amin’izao fotoana izao, hoy izy, dia tsy ao anatin’ny lalàmpanorenana intsony satria raha ny lalàmpanorenana dia tsy misy an’izany « intérim » fa ao anatin’ny « transition », fa aza matahotra ianareo fa hanao izay azo atao izahay hamoahana drafitra amin’ity krizy ity », hoy ny tatitra nataon’i Marc Ravalomanana mikasika ny fihaonany tamin’ireo iraky ny SADC. Nilaza ihany koa anefa io Filoha teo aloha io, fa tokony hivory ny Malagasy samy Malagasy izay tarihin’ny FFKM sy izay miaraka aminy eo, ny Firenena Mikambana, Vondrona Afrikanina, SADC,… ka rehefa vita ny fifampiresahantsika Malagasy izay tsy hidiran-dry zareo mihitsy dia eo no ahitana ny fandrafetana ilay satan’ny tetezamita na tondrozotra, ary rehefa vita izay dia hisy tetiandro hitondrantsika azy, fa efa niezaka aloha ny Fitondrana nanao izay handaminana ny Jirama, ny jiro, ny rano,… fa ilay olana politika amin’izay izao no tokony hifantohana, hoy i Marc Ravalomanana.
Toky R
 

Dans la même rubrique

06-mars-2026

miaraka amin’ny Rosianina…

Card image cap