airtel

Politique

17-août-2023

Politique

Marc Ravalomanana Tsy hanaiky ny hosoka amin’ny fifidianana

Sample post image

Iray amin’ireo mpanao politika efa nanambara ny haha kandida Filoham-pirenana azy ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana,

17-août-2023

ary hatry ny ela no naneho fa tena handrombaka ny fahefana amin’ny alalan’ny fifidianana, ary matetika no nanehoany fampitandremana eo anatrehan’ny fikasana hanao hosoka ara-pifidianana. Tsy tapaka fa teo foana tamin’ireo fivoriana politika in-telo miantaona nataon’ny Vaomiera misahana ny fifidianana na ny CENI. Vao tsy ela no nanome toromarika an’ireo mpiara-mikatroka aminy ao anatin’ny RMDM izay vao avy nankalaza ny faha-4 taonany, ka nanome baiko azy ireo tsy hieritreritra afatsy ny fifidianana. Averiny matetika ny hoe : « Dada 2002 ity fa tsy Dada 2018 ! » Na isan’ireo kandida iharan’ny antsojay samihafa aza i Marc Ravalomanana, dia heverin'ireo mpanara-baovao politika fa anisan'ireo kandida tsy azo hamaivanina mihitsy amin'ny fifidianana ho avy io. Efa ben'ny tanànan'Antananarivo renivohitra nandritra ny 2 taona i Ravalomanana no nanapa-kevitra fa hirotsaka ho fidiana Filoham-pirenena ka nifandrina tamin'ny amiraly Ratsiraka ary dia nandresy moa izy na dia teo aza ny krizy 2002. Fito taona no naharetany teo amin'ny fitondrana ary efa resaka halako bika tsy tiako tarehy raha misy milaza fa tsy nahavita i Ravalomanana. Ny fanatsarana moa misy foana, fa tamin'ny fitondrana Ravalomanana kosa aloha dia tsara kokoa noho ny zavamisy tato anatin'ny 13 taona ny fiainan'ny Malagasy. Isan’ny noraketin’i Marc Ravalomanana ao anatin’ny boky vao navoakany ny làlana nodiaviny teo amin’ny fandraharahana nipaka tamin’ny fitondrana firenena, toy ny nianarany sy nipetrahany 7 taona tany Suède, ka nanampian’ny tompon’ny orinasa Tetra Park azy, nahafahany nampiroborobo ny Tiko, saingy nodorana sy norobaina. « Mampalahelo izany saingy tsy dia mahataitra ahy firy satria tsy azo atao am-po tanteraka ny harena. Mamono raha apetraka ao am-po ny harena. Mila fitoniana ny fiatrehana sedram-piainana rehefa miady amin’ny fahantrana, ary efa niainanay izany tamin’ny fandalovana zava-tsarotra sy fitsapana maro samihafa”, hoy I Marc Ravalomanana. Hita amin'ireo fitsidiham-paritra ataony fa tena mbola manana ireo mpanara-dia azy tsy azo hozongozonona i Marc Ravalomanana. Misy mihitsy aza no efa sahy miteny fa ho tafiditra any amin'ny fihodinana faharoa i Dada. Samy manana ny tombatombany moa fa ny azo antoka fotsiny dia hafana ny fifidianana ho avy io, ary raha kandida i Andry Rajoelina dia mety io no fifanatrehana farany eo amin'izy mianaka, ady politika izay efa nanomboka tamin'ny 2007.
Toky R
 

Dans la même rubrique

22-mai-2025

Naloto tanteraka ny antenimieram-pirenena eny Tsimbazaza

Card image cap
22-mai-2025

Misy antony mazava tsara, hoy ny mpandrindra nasionalin’ny vovonan’adilahy

Card image cap
22-mai-2025

Efa tsy hilamina intsony io ao Toliara io, hoy ny filohan’ny antoko politika Natiora,

Card image cap
22-mai-2025

Avy any atsimo dia hihazo ny tapany avaratry ny Nosy avy hatrany izahay

Card image cap
22-mai-2025

Hita ho somary mba nalefaka na hoe «modéré» kokoa ny kabary nataon’andriamatoa

Card image cap
21-mai-2025

Tsy mitsahatra ny manaraka ny fivoaran’ny toe-draharaham-pirenena misy eto amintsika ny

Card image cap