airtel

Politique

24-août-2023

Marc Ravalomanana

“Zava-dehibe ny faneken’ny rehetra ny valim-pifidianana eo”

Sample post image

Anisan’ireo tazana nandritra ny lanonam-pahafantarana ny sata ara-pitondran-tenan’ny mpanao politika mialoha sy mandritra ary aorian’ny fifidianana ny kandida Marc Ravalomanana.

24-août-2023

Nanamafy fa nanasonia izy ary isan’ny voalohany mihitsy, ka vonona ny hanaja sy hitandro izany na tsy tena mist hery afaka tena manery amin’ny fampiharana azy io aza. “Nanao sonia, sonia ny natao, saingy tsy misy “force d’éxecution” ahafahan’izy ireo manao azy. Na izany aza dia nanao izany satria tena zava-dehibe ilay fanaovana azy, hoy izy, ka nisaoran’I Marc Ravalomanana ny FES sy ny Vondrona Eoropeanina. “Tokony hanaraka tsara an’io ny rehetra, ary zava-dehibe raha tanteraka io, zava-dehibe ny fifanajana satria isan’ny tsy ampy eto Madagasikara io, fa mifanenjika fotsiny. Ny zava-dehibe faharoa dia ny hoe: tena eken’ny rehetra izay valim-pifidianana eo na inona na inona, ary ny fifidianana tahaka ny fifaninanana masina satria samy Malagasy isika, fandalovana ny eo avy misolo indray,…”, hoy I Marc Ravalomanana. Raha nanontanian’ny mpanao gazety momba ny tsy dia fahitana firy ny antokon’ny fitondrana na ny olom-panjakana tao anatin’ilay lanonana nampahafantarana ilay fitsipi-pitondran-tena io kosa, somary nitandrina I Marc Ravalomanana raha naneho fa aleo izy ireo no anontanian’ny mpanao gazety satria ratsy be raha izy no hiteny izany. “Mila mahalala fomba be isika satria raha izaho no hiteny eto dia ohatran’ny hoe: manenjika azy na matahotra azy, na tsy tia azy, kanefa araka ilay sata dia hoe: aoka isika hifanaja”, hoy I Marc Ravalomanana. Isan’ireo kandida naneho ny fisian’ny fanasarotana ny fikarakarana ny taratasy firotsahan-kofidiana ihany koa I Marc Ravalomanana. “Androany no tokony haterina ilay izy fa mbola misy an’ilay 211bis mbola andrasana amin-dry zalahy iny, kanefa tokony haterina izao. Tsy havoakan-dry zalahy hono izany “imprimé” izany fa mbola miandry toromarika avy any amin’ny lehibeny izy, ny any amin’ny fitantanan-draharaham-panjakana, ny any amin’ny “finance” no misy an’izany”, hoy I Marc Ravalomanana omaly atoandro. Momba ilay valiny avy amin’ny HCC momba ilay fitoriana mikasika ny firotsahan-kofidian’ny Filoha ankehitriny tamin’ny 2018 sy ny fangatahana fanaisorana azy kosa, dia “iny ny valin-tenin’ny HCC hoe: tsy afaka hitsara an’izany, ka izaho tsy hitsabatsabaka amin’iny fa raharaha tena ho henjana be izy iny, fa ilay rahampitso dia hisy indray ny fihaonana politika ka ho avy any aho”, hoy I Marc Ravalomanana. Hisy moa ny fihaonana sy fanambarana politika voalaza fa lehibe ataona mpanao politika lehibe sy vovonana maro anio tolakandro, ka andrasana izay ho tohiny. Tsy maintsy mivaha io, ary didim-panjakana, ka tsy maintsy manaja izany izy, hoy I Marc Ravalomanana.
Toky R


 

Dans la même rubrique

27-mai-2025

Nampidirina ho ala-olana indray ny vanin’andro ririnina, izay mampihena ny

Card image cap
27-mai-2025

ny vahiny fa ny eto potehina…

Card image cap
27-mai-2025

Fa inona marina no tena olana ao amin’ny samy mpitondra ambony ao e ?

Card image cap
27-mai-2025

Mipetraka ho adihevitra eo amin’ny tontolo politika indray ny resaka lalàm-pifidianana,

Card image cap
26-mai-2025

Ho lanin’ny vahoaka malagasy tsianjery ihany no hiafaran’ity kobaka am-bavan’ny filoham-pirenena,

Card image cap
26-mai-2025

Notanterahana ny zoma sy sabotsy 23-24 mey tetsy amin’ny Hotely Carlton Anosy ny hetsika

Card image cap