airtel

Politique

11-oct-2023

Maso ankavanan’i Andry Raobelina

“Tsy mahita ary mbola manaintaina”

Sample post image

Mifanipaka amin'ny deontolojian'ny fitsaboana ny famoahana tsiambaratelon'ny marary saingy manana adidy

11-oct-2023

mamaly izany aho, hoy ny kandida ho filoham-pirenena, Andry Raobelina, namaly ny filazan’ny tomponandraikitra voalohany nitsabo azy farany teo teto Madagasikara fa efa afaka miverina mandray ny asa aman’andraikiny izy. “...Araka izay rehefa natao ny fitsirihana, nisy naratra moa izany ny vodimasony vokatr'io toraka io sy ny foto-masony ankavanana izany….”, hoy ny mpitsabo tanaty horonan-tsary voafafa saingy efa naparitaka, hoy ny fanazavan’ity kandida ity. Rehefa maratra ny foto-maso dia tsy tomombana ny fahitana satria misy fahavoazana ao amin'ny ati-maso, feno rà, maro ireo lalandrà madinika tapaka, rovitra ihany koa ilay rentsika antsoina hoe “membrane de Bruch” mandalo “macula”..., hoy hatrany ny famerenany ny fanazavana. Indro ny taratasy fanamarinana avy aminy ihany mirakitra ny fitsaboana natao ka nanaovany sonia tsy fahafahana miasa mandritry ny 30 andro. Ho avoakako eto ihany koa ny fanamarinana avy amin'ireo mpitsabo ahy aty ivelany. Olona tsy handairan'ny tsindry sy ramatahora isan-karazany. Fehiny, tsy mahita ny masoko ankavanana ary mbola manaintaina ihany koa, hoy hatrany i Andry Raobelina.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

21-mai-2025

Tsy mitsahatra ny manaraka ny fivoaran’ny toe-draharaham-pirenena misy eto amintsika ny

Card image cap
21-mai-2025

Taorian’ny fitsarana teny amin’ny Filankevi-panjakana na « Conseil d’Etat »

Card image cap
21-mai-2025

Araka ny efa nampoizina, notsipahan’ny Birao maharitry ny Antenimieramierampirenena

Card image cap
20-mai-2025

Andrasana anio 20 mey 2025 etsy amin’ny Antenimierampirenena ny Minisitra miisa 3

Card image cap
20-mai-2025

eto ny mpandraharaha any ivelany»

Card image cap
20-mai-2025

Manoloana ny resaka aely ao amin'ny kaominin’i Talata Volonondry mikasika ny

Card image cap