airtel

Politique

11-janv-2023

Politique

Mba tsy hisian’ny korontana « Tokony angonina ny hetahetan’ireo mpanao politika »

Sample post image

Tsy misy izay tsy manahy korontana ny rehetra manoloana ny toe-draharaham-pirenena misy ankehitriny.

11-janv-2023

Hanampy trotraka izany ny mety hisian’ny fifidianana izay tsy mangaraharaha fa mitanila raha hisy izany, antony nanehoan’ny pastera Heritiana Randriarimalala ny heviny omaly. Nambarany fa tsy tsara intsony ny hisian’ny korontana eto amin’ny tany sy ny firenena. Ny vahoaka madinika mantsy hoy izy no tena hahita faisana amin’izany fa ho an’ireo mpanao politika kosa dia efa manan-trano sy volabe izy ireo ka afaka mialokaloka soamantsara any ivelany. Miantso ny Fitondram-panjakana mba handray sy hihaino ny hetahetan’ny antoko politika rehetra araka izany ny tenany. Hahay hijery ny marimaritra iraisana ihany koa na ho tonga aza ny fotoana hanaovana ny fifidianana hahafahana mampihena betsaka tsy fahatokisan’ny olom-pirenena ny resaka hala-bato. Notsiahiviny hatrany moa ho an’ny mpitondra fanjakana fa tsy mety ny mandeha amin’ny herin’ny tena sy ny fahaizana ary ny fahalalana. Tsy misy afa-tsy ny fanankinana ny fiainana amin’Andriamanitra no tena zava-dehibe hoy izy ary raha ilaina aza dia mpanompon’Andriamanitra no tokony hametrahana fitokisana hanolo-tsaina sy hanosika am-bavaka mba hitondra vokatsoa ho an’ny firenena.
Legende : Manaraka akaiky ny raharaham-pirenena ny Pastera Heritiana, mpitarika ny Vahao ny Oloko
Pati
 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

Voaporofo fa tsy afaka hahavaha olana eto Madagasikara ny fitondràna amin’izao fotoana izao,

Card image cap
30-mai-2025

Ho lasa zanatany israelianina indray izany i Madagasikara raha io fanomezana tany

Card image cap
30-mai-2025

Namoaka ny fanambarana mivaivay faninefany i Kolonely Patrick Rakotomamonjy,

Card image cap
30-mai-2025

Taorian’ireo kabary nifamaliana toy ny resaka saina sy hozatra, pelaka sy tsy pelaka,

Card image cap
28-mai-2025

hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra

Card image cap
28-mai-2025

Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,

Card image cap