ka hatramin’ny volana septambra taona 2022 teo ny mediatiora Maitre Lala Ratsirahonana omaly tetsy amin’ny Motel Anosy. Nambarany nandritra izany fa nahatratra 474 isa ny fitarainana voarainy tao anatin’io herin-taona mahery io ka ny resaka ady tany no betsaka indrindra satria dia mahatratra 97 ny antontan-taratasy fitarainana amin’izany. Eo ihany koa ny tsy fandovana ny vola fisotroan-drononon’ny mpiasa izay mahatratra 64 isa, ny trosan’ny orinasa sy ny olom-pirenena mifampiraharaha amin’ny fanjakana izay miisa 61 isa, ireo olana ateraky ny fihetsika mandika lalàna hataon’ny mpitandro ny filaminana izay tafakatra 46 isa, ny fandavana ankitsirano ny zon’ny olom-pirenena izay miisa 39, ireo trosan’ny vondrom-bahoaka hitsinjaram-pahefana miisa 34, ny fihoaram-pefy izay miisa 31 ary ny ireo samihafa izay mahatratra 28 isa. Nitombo io fitarainana io tamin’ny ankapobeny. Raha miisa 133 mantsy no niandohan’izany tamin’ny taona 2018, 283 tamin’ny taona 2019 mba nihena 196 tamin’ny taona 2020 dia nidanganabe indray kosa tamin’ny taona 2021 sy 2022. Tsiahivina moa fa manamora sy manelanelana ny olana mety misy eo amin’ny vahoaka sy ny fanjakana ny mediatiora amin’ny alalan’ny fandraisana fitarainana. Ankoatra ireo andraikitra mahazatra azy dia misy ny fiaraha-miasan’ny mediatiora amin’ireo mpiara-miombon’antoka iraisam-pirenena ka anisan’ny lehibe indrindra amin’ireny ny fiaraha-miasa amin’ny firenena mikambana amin’ny alalan’ny tetikasa Appui a la gouvernance démocratique à Madagascar na ihany koa hoe : goudmada izay vatsian’ny Fonds pour la consolidation de la paix vola.
Pati
Legende : Nandritra ny tatitra nataon’ny mediatioran’ny Repoblika tamin’ny mpanao gazety omaly
Misy antony mazava tsara, hoy ny mpandrindra nasionalin’ny vovonan’adilahy
Efa tsy hilamina intsony io ao Toliara io, hoy ny filohan’ny antoko politika Natiora,
Avy any atsimo dia hihazo ny tapany avaratry ny Nosy avy hatrany izahay
Hita ho somary mba nalefaka na hoe «modéré» kokoa ny kabary nataon’andriamatoa
Tsy mitsahatra ny manaraka ny fivoaran’ny toe-draharaham-pirenena misy eto amintsika ny