Azo lazaina ho marin-toerana ny fitondrany raha raisina amin’izany. Teo amin’ny in’enina no nikitika mpikamban’ny governemanta, ka ny 20 febroary teo no farany. Endrika iray naneho ny tsy fahombiazan’ny fitondrana indray iny. Raha ny fampanantenana sy ny sehoseho tamin’ny propagandy 2018, dia tokony ho tsy tahaka izao ny vokatra. Noventesina tamin’ny IEM niainga tany amin’ny 2017 sy ny PEM tato aoriana ny hoe : fahavitan-tena ara-tsakafo, ny fanamby amin’ny fanodinana vokatra, ny fanapariahana ny angovo sy ny herinaratra, fotodrafitrasa, fampiasam-bola amin’ny sehatry ny fizahantany, ny firoboroboana sy famokaran’ny orinasa,… izay mbola nohamafisina tamin’ny fihaonana tamin’ilay hetsika teny amin’ny CCI Ivato ny oktobra 2022. Mahatratra 12 miliara dolara ny nambara fa hoenti-manatanteraka ny vina sy programan’asa, saingy hatreto aloha, mbola lavitry ny kitay ny afo. Tsy nahomby ny politika ara-bola, ny diplaomasia, fitadiavana mpiara-miombon’antoka,… Tapitra ny 15 febroary 2023 teo, ohatra, ny fiaraha-miasa 15 volana teo amin’ny Fanjakana Malagasy sy ny Cabinet Rothsild izay noraisina ho mpiara-miombon’antoka sy mpanalalana an’I Madagasikara amin’ny fitadiavana làlam-bola sy famatsiam-bola, fiaraha-miasa,… Mby aiza ny vokatra sy ny tohiny? Nisedra ny valanaretina coronavirus ny firenena maro, saingy ny an’I Madagasikara nitotongana avo 3 heny ny toekarena mitaha amin’ireo firenena aty Atsimon’I Sahara satria nahatratra -7,1%. Ny taona 2020, tafakatra 81,9% ny tahan’ny mahantra izany hoe: mandray latsaky ny 2,15 dolara isan’olona isan’andro. Nanampy trotraka izany ny fampidanganana ny vidin-tsolika nanomboka ny jolay 2022 izay nahatratra 34% teo ny fiakarana. Nahena ho 2,6% ny tahan’ny fiakaran’ny harin-karena, raha toa ka 5,4% no novinavinaina. Kendrena hiakatra 4,2% ho an’ny 2023, ary 4,6% ho an’ny 2024, saingy tsy vitan’ny tombatombana fa mila ezaka sy paikady mazava. Sarotra ny hisian’ny fahagagana raha tarafina amin’ny fitantanana hatrizay. Ara-taratasy sy ara-tarehimarika, tsy maharakotra akory afatsy ny 6% amin’ny olona tena anatin’ny fahantrana fadiranovana ny rafitra fiahiana ara-tsoasialy. Iny nolazaina iny fa hajanona aloha ny fotodrafitrasa fa hitodika amin’ny sosialy satria akaiky moa ny fifidianana, ka raha fahitana azy, dia resaka vonjy tavanandro sy sehoseho no betsaka. 0,3% amin’ny harin-karena faobe na PIB mantsy hatreto ny tetibola ho an’ny haraton’aina, raha toa ka 1,2% izany ho an’ny faritra Afrika Atsimon’I Sahara. Raha ny tatitry ny PAM (Programme alimentaire mondial) ny tapaky ny Septambra 2022, mahatratra 8,8 tapitrisa na 33% amin’ny vahoaka 28 tapitrisa ihany koa no tafiditra ao anatin’ny tsy fanjarian-tsakafo,... Tena mbola mila ezaka be i Madagasikara, fa tsy vitan’ny fampanantenana manidintsidina intsony. Ho henjana ny fanarenana, ka mila paikady mahomby raha te hiala amin’ilay hoe: afaka 75 taona vao hahatratra an’I Rwanda amin’ny endriny ankehitriny raha tsy miova ny politikam-pitantanana.
Legende : Raha ny resaky ny kandida Rajoelina tamin’ny 2018 dia hoe hisy fahagagana hitranga eto Madagasikara raha izy no lasa Filoham-pirenena (Sary tahiry)
Toky R
Nandritra ny fitokanana biraom-pokontany tao Ambatolahikisoa Fianarantsoa omaly 25 may 2023 no nilazan’ny Filoha
Tahaka ireo fokontany maro ao amin’ny anatin’ny Boriborintany faha-6 eto Antananarivo, mitohy hatrany ny asa fanamboaran-dàlana eny amin’ny fokontany Ambatolampy sy Avaratanana (Procar).
Mihamafy ny krizin’andrim-panjakana eto amin’ny tany sy ny firenena na hiniana sarontsaronana hatrany ny hoe : tsy misy krizy politika eto aza.
Taorian’ny lazan’ny fandoarana «riz cantonais» dia sambany koa izany izao no nisy biraom-pokontany notokanana filoham-pirenena teto Madagasikara.
Mivoy ny amin’ny tokony hisiana fifanarahana politika amin’izao fotoana ny antoko politika sasantsasany, hoy ny antoko politika Ny Fireneko.
Terena hividy “polo orange” ny mpiasam-panjakana ?