airtel

Politique

26-juil-2022

Politique

MIARA-MANONJA “Hangina aloha, miandry fahatongavan-tsain’ny vahoaka”

Sample post image

Nanapa-kevitra ny hangina ireo 6 mianadahy mpanentana ny fandaharana Miara-Manonja Az Radio TV tarihin’ny Depiote Fidel Razarapiera sy Hanitra Razafimanantsoa nanomboka androany,

26-juil-2022

araka ny fanambarana nataon’izy ireo. Maromaro moa ireo mpiara-manao famakafakana tao amin’ity fandaharana ity ka ankoatra ireo depiote roa ireo, dia teo ihany koa ny Depiote Rakotomanjato Rodin, ny mpanao politika Guy Maxime Ralaiseheno, Vonison Andrianjato, ary i Eric Andrianaivo. Tsy raharahan'ny mpanao politika intsony izy ity, tsy raharahanay 6 mianadahy intsony raha izao tranga misy eto amin'ny firenena izao, ka naneho fa miandry ny fahatongavan-tsain’ny vahoaka Malagasy mba hitsangana izy ireo. Mbola mety amin'ny vahoaka, mbola zakan'ny Malagasy ve izao: fahantrana lalina izao sy fahapotehan'ny firenena sy ny demokrasia izao? Hoy ireto Miara-manonja ireto. Famonoana vahoaka, didy jadona, fisamborana tsy ara-drariny,… Mbola zakan'ny malagasy ve izany rehetra izany sa izahay irery no mahatsapa izany? hoy hatrany izy ireo. Nametra-panontaniana ihany koa izy ireo hoe: Hatraiza ny fiaraha-manonja, tena vonona ve ny rehetra ? Aleo izahay hisafidy ny hangina sao izahay no mitabataba fa mbola mety aminareo kay ilay izy, aleo izahay 6 mianadahy hangina, fa rehefa vonona ianareo dia izahay efa vonona mialoha lavitra noho ny anareo, eto foana izahay, hatsoina andro dia andro dia atsoina alina dia alina, miandry ny fahatsapan-tenan’ny rehetra noho izany izy ireo, hoy ireto Miara-manonja ireto. Kazarana paikady politika vaovao indray izany no entin’ity fandaharana iray nifototra tamin’ny fanentanana sy famakafakana ara-politika ity. Efa mandeha kosa ny karazana eson-teny ara-politika avy amin’ny Mpitondra toy ny an’ny depiote IRD iray hoe: “Ny mangina sy ny lany bala anie ohatran’ny mitohy ihany e!”. Tombony ho an’ny fitondrana sy fahalemena ho an’ny mpanohitra ve ity fanapahan-kevitra hangina ity? Inona no mety ho akony sy ho tohiny ?
Toky R

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Nampanantsoina teny anivon’ny tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly na ny PAC (Pôle anti-corruption) 67ha,

Card image cap
24-avril-2024

Tsy misy intsony ny Fanjakana tan-dalàna ka mijoro ireo mpahay lalàna sy avara-pianarana sy ny vato

Card image cap
24-avril-2024

Namoaka tatitra ny depiote Rahasimanana Paul Bert na Rossy omaly,

Card image cap
24-avril-2024

Hanomboka ny datin’ny 08 ka hatramin’ny 27 Aprily ho avy izao ny

Card image cap
24-avril-2024

Tao anatin’ny hetsika fotsy aho ary mbola anatin’ny fanoherana, hoy ny kandida ho depiote,

Card image cap
24-avril-2024

Novorian’ny Governora Guy Ramarosandratana ireo staff-n’ny faritra Mangoro sy ny Birao politika TGV-Distrika Ambatondrazaka ny takarivan’ny 19 aprily teo.

Card image cap