airtel

Politique

08-mars-2024

Miary Rasolofoarijaona

«Tena mihemotra ilay firenena»

Sample post image

Tena mahakivy ny zava-misy eto amin'ity firenena ity,

08-mars-2024

hoy ny mpanao gazety, mpamakafaka, Miary Rasolofoarijaona. Vao avy nandeha tany Mahajanga ny tena, hoy izy. Ny lalana potika tanteraka. 12 ora vao tonga any. Ny delestazy tena manahirana satria zara raha mandeha ny jiro. 2 ora amin'ny alina monja. Andeha hisakafo dia miteny ireo hoe izay sakafo mila herinaratra dia tsy misy. Andeha hanasa fiara dia hoy ireo hoe tsy afaka manasa fa tapaka ny jiro sy rano. Andeha hanao «impression» na hamoaka atontan-taratasy dia hoy ireo hoe efa hatry ny omaly no tsy mandeha ny jiro. Andeha hilomano anaty «piscine» na dobo filomanosana dia hoy ireo hoe somary misy fasipasika fa tapaka jiro dia tsy mandeha ny maotera. Andeha hilomano eny amin'ny ranomasina dia ilay mafana ny andro mba mitady zavatra mangatsiaka dia hoy ireo hoe tsy misy izany intsony fa ny jiro eto tena efa tapaka foana tsy mahavita mampangatsiaka. Andeha hody teo Maevatanana mba hoe hihinana trondro dia hoe tsy misy fa lasa lafobe amin'ilay izy tsy azo tehirizina satria tsy misy jiro. Santionany fotsiny ireo fa tena mihemotra ilay firenena. Potika ny fiharian'ireo malagasy mihevitra ny mba hiezaka amin'ny fiainana. Inona ilay asa fampandrosoana ataon'ny fanjakana eto Madagasikara? Malahelo ity fireneko aho. Malahelo ny tenako aho, hoy hatrany ny tenany.

J. Mirija

 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Notanterahina omaly teny amin'ny Gara Soarano ny lanonana politika fametrahana samboady ireo

Card image cap
24-juil-2024

Mitady minisitra volamena tonga dia tsy kosehina intsony fa avy dia mitondra fahazavana

Card image cap
24-juil-2024

Tsy mahafaty ny mahatsikaiky! na koa hoe «Le ridicule ne tue pas!»,

Card image cap
24-juil-2024

Aiza sy nankaiza ny Filohan’ny Delegasionina manokan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra Atoa Ramanambitana Richard ?

Card image cap
24-juil-2024

Efa mitovy salan’isa amin’ireo tantsaha mpamokatra eto amintsika izany hoe :

Card image cap
24-juil-2024

Mbola vitsy ireo vehivavy misahana andraikitra ambony na miantsehatra eo amin’ny

Card image cap