airtel

Politique

28-janv-2026

Miditra an-tsehatra indray ny SADC

Hamaha olana sa vao mainka hampidi-kizo…

Sample post image

Eto Madagasikara efa tao anatin’ny andro

28-janv-2026

vitsy ny delegasionina avy amin’ny SADC, manatanteraka iraka fakan-kevitra, izay nambara fa anatin’ny dingana famahana ny olan’ny Firenena Malagasy. Nihaona tamin’ny Filoham-panjakana, Filoha teo aloha na ny antokony, antoko samihafa,… « Ny fivoriana an-tampon’ireo Filoham-panjakana tamin’ny 17 desambra no naniraka anay ho avy aty Madagasikara. Hihaino ireo herivelona rehetra ka anisan’izany ny eo anivon’ny Fitondrana, ny mpitsantana politika maro samihafa, ny fiarahamonim-pirenena, ary ny fikambanan’ny tanora sy ny vehivavy. Hiverina, hihaona amin’ny Filoha Mozambikanina teo aloha Choachim Chissano, ary mbola hisy iraka fanindroany ho avy indray eto Madagasikara. », hoy ny Lehiben’ny iraka dia ny Filohan’i Malawi teo aloha Dr Joyce Banda omaly, taorian’ny fihaonana tamin’ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana omaly. Milaza ity iraky ny SADC ity fa mila fitoniana, fandriampahalemana, ary mendrika fandrosoana ny Firenena sy ny vahoaka Malagasy, ka mendrika hampiana sy hotohanana. Amin’ny lafiny iray, tsy afaka miala amin’ny rafitra sy antanan-tohatra iraisam-pirenena izay fehezin’ny « principe de subsidiarité » isika ka ny SADC aloha izany no rafitra misahana ny fandaminan-draharaha. Zava-dehibe ny finiavana iraisam-pirenena, saingy tena mamaha olana eto ve ny fidirana an-tsehatry ny SADC sa sanatrian’ny vava vao mainka hampidi-kizo ? Miverina indray ny anaran-dry Chissano izay efa nitarika ny fanelanelanana teto tamin’ny 2009-2010 fa namaha ny olan’i Madagasikara sy ny krizy ve ?

HIRIKA HO AN-DRAJOELINA?
Tonga ny SADC izay mihaona amin’ny ankolafin-kery maro. Ny fanambarany ny 17 desambra 2025 dia efa somary mampiady hevitra. Tao anatin’ny tatitra taorian’ny dinika virtoaly no nandrisihana ny Fitondrana eto Madagasikara tarihin’i Kolonely Michaël Randrianirina hanomboka dinika nasionaly mirindra sy tarihin’ny Malagasy, mba hanokatra làlana ho amin’ny fifidianana vaovao, tsy manilika sy ny fiverenana am-pilaminan’ireo mpitsoa-ponenana politika. Nangatahana ihany koa ny mba hahazoana antoka fa mirindra sy mandray anjara avokoa ny rehetra amin’ny dingana fanavaozana, ary hanome sehatra ho an’ny mpitsoa-ponenana politika haneho hevitra sy handray anjara. Mazava be io raha raisina amin’izany, fa mamporisika ny hanokafam-baravarana ho an’i Andry Rajoelina sy ny ekipany. Tena hampilamina ve ny fampidirana an’i Andry Rajoelina izay fototry ny olana ao anatin’izao fanelanana izao ? Miresaka demokrasia ny SADC saingy ninia nangina tamin’ny jadona sy ny famoretana, fandratrana vahoaka, faty olona,… nandritra ny Fitondrana Rajoelina izay sady filohan’io rafitra io tamin’izany. Ny fidirana an-tsehatry ny tafika notarihin’ny Kolonely Randrianirina Michael no namaha ny gejan’ny vahoaka. Nandeha tamin’ny dingana araka ny lalàna rehefa tsy hita popoka ny Filoha tamin’izany, ka nangatahan’ny HCC mba hitondra ny Fanjakana ny Kolonely Randrianirina Michael, izay nianiana ny 17 oktobra 2025,…

TSINDRY ?
Mahagaga fa ao anatin’izao dian’ny SADC izao no mihamafy ilay hoe : tsy anatin’ny lalàmpanorenana intsony isika, misy disadisa, misy fitantanana tsy mazava,… araka ny resaka notaterin’ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana omaly. Asa ihany koa na mbola misy tsindry atao ny Fanjakana ankehitriny, ka nahatonga ny Filoham-panjakana ankehitriny Kolonely Randrianirina Michael namaly sy nanazava tamin’ny SADC hoe : izahay irery no Filoham-panjakana eto Madagasikara araky ny fanapahan-kevitra 10-HCCM/D3. Amin’ny lafiny iray mety ilay fisiana mpanolotsaina ambony 4 no anton’io, fa tsy azo lavina ny fitadiavana hirika any ambandika any hamelezana ny fitondrana. Nanamafisany tamin’ny SADC moa ny Filoha fa ny faniriana dia ho vita ao anatin'izay 24 volana ny fihaonambem-pirenena sy ny fifidianana lalampanorenana ary ny fanavaozana manontolo sy lalina ny lisi- pifidianana. Tsy afaka ny hiolonolona eto isika fa tsy afaka hahazo toky fa ny fanelanana ataon’ny SADC no hahavaha ny krizy politika eto.
Toky R


 

Dans la même rubrique

06-mars-2026

miaraka amin’ny Rosianina…

Card image cap