narafitry ny CENI ny Vondrona iraisam-pirenena ho an'ny tany mampiasa manontolo na ampahany ny fiteny frantsay (OIF) nanomboka omaly hatramin’ny 23 martsa izao. Nasaina manokana ireo teknisianina sy ireo solontena avy amin’ny antoko politika sy ny firaisamonim-pirenena (OSC). “Antoky ny fahazoana antoka sy fangaraharahan’ny zotram- pifidianana ny fitsirahana ny lisitry ny mpifidy. Hatao indroa miantaona izany fitsirihana izany. Ny voalohany atao mialohan’ny famaranana vonjimaika, ny faharoa kosa alohan’ny fanontana ny lisitry ny mpifidy izay nofaranana tanteraka”, hoy ny Filoha lefitra voalohan’ny CENI, Andriamalazaray Andoniaina tamin’ny fanokafana izany. Nambara fa atao ahafahana mijery ny kalitao sy ny fahamarinan’ny lisitry ny mpifidy araka ny fenitra takian’ny didy aman-dalana manan-kery eto Madagasikara sy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ity fitsirihana ity. Nanamafy kosa I Sahli Karine, manam-pahaizana manokana avy amin’ny OIF, nandritra ny fanolorana ny asa izay hataony fa “hanatanteraka ny fitsirihana ao anaty mangarahara tanteraka”. Tamin’ity andro voalohany ity, nikaon-doha tamin’ny fandrafetana ny tondrozotra sy ny fametrahana ny komity vonjimaika hanara-maso ny fitiliana izay hataon’ny OIF ireo teknisianina ary ireo solontena avy amin’ny antoko politika sy ny OSC,… Taorian’ny fifanakalozan-kevitra sy ireo tolo- kevitra nentin’ireo mpiantsehatra, nankatoavin’ny rehetra ny tondrozotra hanatanterahana ny asa ary natao sonia ny tatirtry ny fivoriana, hoy ny tatitra. Izany dingana rehetra izany no natao mba hampanjakana ny mangarahara amin’ny fitantanana ny zotram-pifidianana, hitazonana ny vina “Zotram-pifidianana tsara omana, andraisan’ny mpiantsehatra anjara antoky ny fitoniana sy filaminana”, hoy ny CENI. Marihina anefa fa nivoaka ny efitrano ny avy amin’ny Antoko mpanohitra izay nahitana vovonana sy antoko samihafa.
Toky R
Voaporofo fa tsy afaka hahavaha olana eto Madagasikara ny fitondràna amin’izao fotoana izao,
Ho lasa zanatany israelianina indray izany i Madagasikara raha io fanomezana tany
Namoaka ny fanambarana mivaivay faninefany i Kolonely Patrick Rakotomamonjy,
Taorian’ireo kabary nifamaliana toy ny resaka saina sy hozatra, pelaka sy tsy pelaka,
hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra
Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,