airtel

Politique

18-oct-2023

Miha matanjaka ny Vondron’ny kandida

Manatevin-daharana ny tolona ny mpiasam-panjakana

Sample post image

Tonga nanakorontana ny diabe am-pilaminan’ny vondron’ny kandida teny Andavamamba omaly ny andian’olona

18-oct-2023

manao akanjo volomboasary mpanohana an-dRajoelina. Nosimbain’ireto andian’olona izay toa tsy tompon’ny tenany ny fiaran’ireo kandida toa an’i Hajo Andrianainarivelo sy Marc Ravalomanana. Tsy Mihemotra mihitsy isika fa tsy maintsy mandresy hoy i Marc Ravalomanana, nanokatra ny kabary teny Mahamasina omaly atoandro. Ny atao hoe mitolona dia miray hina hatramin’ny farany , hoy izy. Tsy rariny izao zava-manjo ny Malagasy sy iainany izao, fa raha tsy mitolona amin’izao isika dia tsy hay intsony, hoy Ravalomanana . Miray hina isika ka na vato inona na vato inona ireo, tsy atahorantsika, hoy izy. Ny tolona ataontsika dia tolona hatramin’ny farany, fa tsy tolona amin’ny ampahany fotsiny, hoy hatrany I Marc Ravalomanana.
MANOMBOKA TONGA IREO MPIASAM-PANJAKANA
Tsy misy mitsoaka eto, mitohy foana ny tolona, hoy Roland Ratsiraka, mitombo ireo mpanara-dia ka nanatevin-daharana ny tolona izao androany ny Sendikan’ny mpiasan’ oniversite, ny Croua, ny mpiasa avy ao amin’ny minisiteran’ny fampianarana ambaratonga ambony, ho avy ihany koa ny ao amin’ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena, raha ny kabary androany . Mbola betsaka ny ho avy eo hanatevin-daharana satria leon’ny tsy fanajana lalana, leo amin’ny governemanta, leon’ny fandokoana azy volomboasary nny mpiasam-panjakana.
TONGAVA IANAREO MANENJIKA ANAY FA RAISINAY AN-TANAN-DROA

Nanamafy ny vondron’ny kandida fa saina no miasa fa tsy sandry ary niantso ireo namana nokaramaina hanakorontana mba ho avy rahampitso , tongava manaradia anay satria ho anareo ihany koa no hanaovanay ity tolona ity, hoy i Hajo Andrianainarivelo. “Betsaka ny sakana, izay ihany no fatany ka aiza izahay izay rava, hoy izy, izay narahin’ny horakoraky ny vahoaka. “Mijoro hatrany, ary ny saina no antsika, ny azy Bruce Lee no mba maodeliny ka tsy maodely izany, hofafantsika eto amin’ny tantaran’I Madagasikara ny toentsaina manimba ny fananan’olona. Simba avokoa ny fiaranay fa izahay tsy mamaly, ary misaotra anareo noho ny fahendrenareo”, hoy ny Firasankinan’ny kandida tamin’ny alalan’I Hajo Andrianainarivelo. Fanaovana tsinontsinona anareo ireny , tongava saina fa ampiasain’ny olona hampiady ny samy Malagasy ianareo, hoy izy, nampisaintsaina sy niantso ireo olona ampiasaina amin’ny zavatra mamohehitra.
TSY EKENA NY HERISETRA
Tsy azo ekena ny fampiasana herisetra amin’ny ankizy sy amin’ny vehivavy ary amin’ny olom-pirenena tahaka iny nisehoandroany iny, hoy kosa i Hery Rajaonarimampianina. Ny fampiasana herisetra no heverin-dry zareo fa hampandresy azy. ? Tsy ekentsika izany, hoy izy. Ny vola hanakaramana anareo hanakorontana ireny mety iray andro dia lany fa ny tolona ataontsika kosa dia miantoka ny ho avy mba isian’ny fihavanana sy fampandrosoana.
TSY MAINTSY MAHOMBY NY TOLONA
Teo amin’ny tantaram-pirenena dia tsy mbola nisy tolom-bahoaka rava maina izany, hoy ny vondron’ny kandida ka aoka hitohy ny firaisankina ary tongava daholo ianareo izay mahatsiaro ny tsy rariny sy mahatsapa fa sahirana.Tsy mila vazaha mitantana ny firenena isika, tongava daholo ianareo mpiasa, sendikalista, satria mila miala io fanjakana tsy antenaina hamaha ny olantsika io, hoy ny hafatra teny Mahamasina androany.Nanamafy izany ny antoko MFM ka nilaza fa tonga ity ny fotoana, efa masaka ny lohan’omby koa sahia mijoro. Namaky sehatra tamin’ny fanentanana i Bobo fa manomboka rahampitso dia ho avy ny artista maro be hanafana ny tolona. Tazana nandritra ny diabe omaly ihany koa i Princio.
RTT sy Toky R
 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

Voaporofo fa tsy afaka hahavaha olana eto Madagasikara ny fitondràna amin’izao fotoana izao,

Card image cap
30-mai-2025

Ho lasa zanatany israelianina indray izany i Madagasikara raha io fanomezana tany

Card image cap
30-mai-2025

Namoaka ny fanambarana mivaivay faninefany i Kolonely Patrick Rakotomamonjy,

Card image cap
30-mai-2025

Taorian’ireo kabary nifamaliana toy ny resaka saina sy hozatra, pelaka sy tsy pelaka,

Card image cap
28-mai-2025

hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra

Card image cap
28-mai-2025

Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,

Card image cap