airtel

Politique

08-déc-2022

Politique

Mihamafy ny krizy Bokan-trosa sy banky ropitra ny Fanjakana

Sample post image

Bokan-trosa tanteraka ary tsy manam-bola ny Fanjakana Malagasy, raha tarafina amin’ny olana samihafa miseho ankehitriny. Vao teo amin’ny 35% ny famoaham-bolam-panjakana dia nofaranana ny volana oktoba, araka ny

08-déc-2022

naoty n° 099-MEF/SG/DGFAG/DB/SSB tamin’ny 25 aogositra 2022, izay manitsakitsaka ny lalàna fehizoro n° 2004 -007 tamin’ny 26 jolay 2004 mikasika ny lalàna momba ny lalàna mifehy ny tetiolam-panjakana sy ny fitantanana volam-panjakana, raha ny fanehoan-kevitra efa nataon’ny mpahay toakerena Serge Zafimahova. Toa endrika iray manamafy ireny, fa manify ny volam-panjakana, tsy misy ny vola, fa endrika ivelany sy sehoseho no betsaka. Ny volan’ireo orinasa mpikojakoja làlana efa roa taona ny fitakiany, saingy mbola misy tsy nahazo. Ny volan’ny FER (Fonds d’Entretien Routier) izay navadik’ity Fanjakana ity ho FR (Fonds Routiers) toa manjavozavo ny nalehan’ny 450 miliara Ar tany ho any. Ny mpandanja fiara nisy fotoana nigrevy fa tsy nandray karama 6 volana, ny mpiasan’ny zotran-dalamby FCE 5 volana nigrevy fa tsy nahazo karama,…. Ny Jirama tsy afak’olana satria tsy ampy vola, olana ny solika, nisy fotoana niditra tamin’ny amboletra nanao fanagiazana na “requisition”, misavovona ny trosa,... Ny amin’ny resaka solika hatrany dia voalaza fa ananan’ny kaompania 237 hatramin’ny 347 miliara Ar raha ny kaonty efa tamin’ny volana may 2022. Ny eny amin’ny seranam-piaramanidina, misy ny loharanom-baovao milaza fa tsy misy Fanjakana mandoa vola eo noho eo izany rehefa maka solika fampiasa amin’ny fiaramanidina rehefa misy fampiasana fiaramanidina manokana ataon’ny mpitondra ambony, fa tonga dia fenoina avy hatrany fotsiny. Voalaza fa manomboka tezitra ireo Kaompanian-tsolika, ka isan’ny mahatonga ny delestazy io ny tsy faneken’izy ireo hanome solika betsaka. Ny orinasam-panjakana toa atao fangoronam-bola, toy ny manjo ny CNaPS izay ahiana ho banky ropitra hanaraka ny Air Madagascar, Jirama, ny orinasa SPM (State Procurement of Madagascar) izay natsangana hanafatra ireo entana ilaina andavanandro voalaza fa bokan-trosa 14 miliara Ar eo anivon’ny seranan-tsambo, ny fakon’Antananarivo tsy voaroaka ara-dalàna fa tsy ampy vola. Tsy voaloa ny karaman’ny mpiasan’ny antenimierandoholona, manenjana ihany koa ny Antenimieram-pirenena,…. Ho an’ny fanatanjahantena, iny niharihary iny ny tsy nandefasana ny solontena Malagasy niatrika ny lalaon’ny Vaomieran’ny Ranomasina Indianina na ny CJSOI izay heverina fa noho ny ara-bola. Ny amin’ny resaka fampianarana moa, dia mbola betsaka ny vary mangatsiaka toy ny volan’ny mpampianatra mpikaroka, ny vatsim-pianarana eto an-toerana sy any ivelany. Ny resaka diplaomasia azo isaina amin’ny rantsa-tànana ny ambasadaoro notendrena satria tsy misy vola.
HISY FAHAGAGANA VE ?
Rehefa zohiana, kofona tanteraka ny Fanjakana Rajoelina, ny tranga rehetra dia maneho fa ao anatin’ny krizy, tsy misy vola,… Nakarina ny sora-bola ao anatin’ny tetibolam-panjakana 2023 saingy ahiana ho poakaty hatrany, raha tarafina amin’ny 2022 izay ambany noho io aza, saingy tsy ampy 50% akory ny fampiharana azy. Betsaka ireo velirano tanisaina, zavatra ampanantenaina hatao, saingy mbola azo inoana ve ny fahagagana? Mbola misy azo antenaina amin’izao fitondrana izao ve ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Nampanantsoina teny anivon’ny tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly na ny PAC (Pôle anti-corruption) 67ha,

Card image cap
24-avril-2024

Tsy misy intsony ny Fanjakana tan-dalàna ka mijoro ireo mpahay lalàna sy avara-pianarana sy ny vato

Card image cap
24-avril-2024

Namoaka tatitra ny depiote Rahasimanana Paul Bert na Rossy omaly,

Card image cap
24-avril-2024

Hanomboka ny datin’ny 08 ka hatramin’ny 27 Aprily ho avy izao ny

Card image cap
24-avril-2024

Tao anatin’ny hetsika fotsy aho ary mbola anatin’ny fanoherana, hoy ny kandida ho depiote,

Card image cap
24-avril-2024

Novorian’ny Governora Guy Ramarosandratana ireo staff-n’ny faritra Mangoro sy ny Birao politika TGV-Distrika Ambatondrazaka ny takarivan’ny 19 aprily teo.

Card image cap