airtel

Politique

05-févr-2025

Mihorohoro ny fitondrana !

Voarara ny fivoriana politika anaty efitrano……

Sample post image

Mihafamafy ny fangejana ara-politika eto Madagasikara, izay taratry ny tsy fahatsapan’ny Fanjakana fahamarinan-toerana ka manahy ny hiongana.

05-févr-2025

Tsy azo atao intsony indray ny manao fivoriana ara-politika raha tsy mahazo fahazoan-dàlana ofisialy. Nilatsaka indray ny didy manery ny tsy maintsy hakan’ireo antoko na fikambanana sy herivelona samihafa fahazoan-dàlana amin’ny Prefektioran’Antananarivo raha hanao fivoriana ara-politika, tsy mifidy na anaty efitrano na ankalamanjana. Raha mahazo ny fahazoan-dàlana dia tsy maintsy misy tomponandraikitra avy amin’ny prefektiora manatrika ny fivoriana. Nambara moa fa fa tsy nanana fahazoan-dàlana ny Hery Politika Mitambatra saika hanao fivoriana hitadiavana vahaolana ho an’ny firenena tetsy amin’ny Motel Anosy ka antony nanakanan’ny mpitandro filaminana ny hetsika. « Tsy anatiny ny ara-kolontsaina, fa raha ara-politika tsy maintsy misy fahazoan-dalana. Raha ohatra ka fikononokonana fanonganam-panjakana dia avela amin’izao izany. », hoy ny Prefen’Antananarivo Jeneraly Angelo Ravelonarivo. Manaitra ny filazan’io tompon’andraikitra ambony io hoe : « Ny lalàna no milaza hoe : ny famoriana olona rehetra tsy maintsy misy fahazoan-dàlana. Miovaova araka izay maha metimety ? Ny 13 janoary teo mantsy dia nilaza ny Prefen’Antananarivo, fa tsy dia ilaina ny fangatahana raha fivoriana anaty efitrano, kanefa tsy maintsy ho fantatray, hoy izy, ny antony na ny tetika raha misy tetika hanohintohina ny filaminam-bahoaka. Taorian’izay, re fa nahazo fandrahonana nivantana na ankolaka ny hotely Le Pavé tetsy Antaninarenina tsy hahazo handray fihaonana sy fanambarana politika, voasakana ihany koa ny fihaonana sy fivoriana saika hatao tetsy amin’ny Arrupe Faravohitra izay fananan’ny katolika, ary iny saika hatao teny amin’ny Solimotel Anosy ny sabotsy 01 febroary teo iny, fa nanetsehana mpitandro ny filaminana mirongo basy. « Ny lalàna tsy mametra mihitsy hoe : anaty efitrano na tsy anaty efitrano fa rehefa famorian’olona dia tsy azo atao raha tsy mahazo fahazoan-dàlana. Mila fahazoan-dàlana avy amin’ny tompon’ny toerana ao anatin’ny fangatahana, ka raha tsy misy izay ka misy fikorontanana dia raisina ho mpitsikombakomba ny tompon’ny toerana », hoy indray ny Jeneraly Ravelonarivo Angelo.
TSY HIRAHARAHA FAHALALAHANA SY ZON’OLOMBELONA !
Miharihary fa mihamafy izany ny fangejana sy ny jadona ara-politika, ny zo sy fahalalahana haneho hevitra, ny fahalalahana ara-politika, fahalalahana hikambana anaty fikambanana,… izay any amin’ny fanombohan’ny andininy ao amin’ny lalàmpanorenana toy ny andininy faha-10 no mamaritra izany. Nialohan’ny fifidianana Filoham-pirenena 2023 no efa namoahan’ny Fanjakana Rajoelina tamin’ny alalan’ny Minisiteran’ny Atitany ny tsy fahafahana manao famoriam-bahoaka ara-politika an-kalamanjana, nosakanana ny fihaonana politika anaty efitrano saika hatao tetsy Mahamasina, teny amin’ny Espace Yandy By Pass sy ny teny amin’ny ISTS Mandrimena,… izay nahitana ireo kandida Filoham-pirenena. Nahazoantsika kiana mivaivay tamin’ny Vondrona Eoropeanina io, ka isan’ny nijoro tamin’izany ny Ambasadaoro teo aloha izay noroahin’ny mpitondra ankolaka Rtoa Isabelle Delattre. Vao avy nahazo fanamarihana henjana mikasika ny zon’olombelona tany Genève indray. Mihamafy ny jadona, famoretana politika, fangejana, fampihorohoroana,… Aiza ny lalan-kivoahan’ny fanoherana ? Hanaiky lembenana sy hipetraka ve sanatria sa mba hitady fomba sy lalan-kafa ? Tena izao ve no haha marin-toerana ny fitondrana?
Toky R

 

 


 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

Voaporofo fa tsy afaka hahavaha olana eto Madagasikara ny fitondràna amin’izao fotoana izao,

Card image cap
30-mai-2025

Ho lasa zanatany israelianina indray izany i Madagasikara raha io fanomezana tany

Card image cap
30-mai-2025

Namoaka ny fanambarana mivaivay faninefany i Kolonely Patrick Rakotomamonjy,

Card image cap
30-mai-2025

Taorian’ireo kabary nifamaliana toy ny resaka saina sy hozatra, pelaka sy tsy pelaka,

Card image cap
28-mai-2025

hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra

Card image cap
28-mai-2025

Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,

Card image cap