200 tapitrisa ariary atao anto-bola amin’ny fifidianana Filoha.Notahian’Andriamanitra ka misehatra amin’ny tontolon’ny fampianarana eto an-toerana sy any ivelany efa 10 taona mahery izao ny tena, hoy izy ary manana orinasa sy mpiara-miombon’antoka malagasy eto an-toerana sy any ivelany ihany koa.Ireo no mifanampy amin’ny loharanom-bola ampiasaina fa tsy maka vola any amin’olon-kafa mihitsy. Tsy tokony ho kivy na hanary toky mihitsy isika, hoy ny kandidan’ny FTT fa tsy maintsy manam-pinoana, izay namama finoana no afaka mandroso. Ny tsy fisiana fitsinjaram-bola any amin’ny faritra ahafahana miasa no tsy nahatanteraka tsara ny fintsinjaram-pahefana hatramin’izay.
VINA MITOMBINA SY AZO TANTERAHINA TSARA
Ny Vina mifototra amin’ny fanabeazana, fitsinjaram-bolam-panjakana ary Madagasikara nomerika izay handrafetana ny fandaharanasa dia vonona efa tamin’ny taona 2010 nitsanganan’ny antoko Tia Tanindrazana. Efa nisy 13 taona izany nandinihana, nanadihadiana, nanatsarana, nifampiresahana tamin’ireo mpiara-miasa sy mpiara-miombon’antoka, nitetezana faritra..Raha politika indray dia manana foto-kevitra mazava tsara ny Firaisankinan’ny Tia Tanindrazana, mahafantatra tsara ny zavamisy sy ny fiainam-pirenena, nifampidinika tamin’ireo zoky sy raiamandreny vavolombelon’ny tantaram-pirenena.Tsy latsaka ambanin’izany ny fandinihana ny toe-draharaha eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Feno ny fepetra ankehitriny hirosoana amin’ny dingana lalina kokoa ho fanatsarana ny fiainan’ny Malagasy isam-batan’olona, isan-tokantrano…hametrahana fampandrosoana ara-toekarena mitombina sy marin-toerana ary maharitra.Vina tsy mampanonofy hanaovana sarimihetsika ny an’ny FTT sy Tahina Razafinjoelina fa Vina efa navadika ho asa, ary raha ny tena marina aza dia fanohizana ny asa efa natomboka no atao ary faniriana ny hizara izany amin’ny Malagasy.
FITSINJARANA NY TETIBOLAM-PANJAKANA
Raha miresaka hoe fitsinjaram-bolam-panjakana, dia mazava tsara eto fa ny vola am-pelatanana (Tetibolam-panjakana) no tsinjaraina ara-drariny fa tsy hoe mbola mila mitady vola hafa. Vola efa vonona isan-taona io. Tsotra sy mazava ny raikipohy : 70% alefa any amin’ny faritra, 30% no an’ny fanjakana foibe. 10 000 miliara ariary ny tetibolam-panjakana ho an’ny taona 2023, raha ampiharina izany ity resaka ity dia ny 7 000 miliara ariary no alefa any amin’ny faritra, manome 304 miliara ariary mahery isan-taona, isaky ny faritra . 25 miliara ariary isam-bolana izany ny tetibolan’ny faritra iray. Miha haingana kokoa ny famoaham-bola hanatanterahana asa, ary akaiky kokoa ny fanarahamaso sy fanaovana tombana, mazava ho azy fa mampiasa ny teknolojia nomerika. Io no fanalahidin’ny fampandrosoana, azo tanterahana avy hatrany fa tsy hoe manantena volabe fanampiana avy any ivelany vao mihetsika.Rehefa hita fa mandeha ny asa ary tsara tantana ny vola, tonga ho azy iroe mpiara-miombon’antoka. Tsy firenena voaozona izany i Madagasikara fa ny paikady sy fomba fiasa no mila ovaina mba hampahomby ny asa rehetra ato. RTT
MAHANA TAMIN’NY NATAO Izay rehetra maneho hevitra hafa dia hanongam-panjakana ?
Nilatsaka ny sazy ! Voaheloka 10 taona an-tranomaizina miampy lamandy 60 tapitrisa Ariary
Misaora an’Andriamanitra isika fa manana harena ahafahana mampandroso ny firenena,
Taorian’ny filazana fa tsy ekena ny fanalam-baraka ny Firenena, namafisin’ny Prefen’Antananarivo Jeneraly Ravelonarivo Angelo Christian