Taratasy natao tamin’ny anaran’ny vahoaka Malagasy, ny governemanta, ary tamin’ny anaran’ny tenany manokana. Nitanisa ny fandraisana andraikitra politika nataon’ity Filoha Alzerianina teo aloha ity, ny hetsika niadiana tamin’ny fanjanahan-tany Frantsay, ny naha olom-boafidy, ny naha mpikamban’ny governemanta, ka nasongadiny ny naha Minisitry ny raharaham-bahiny nialohan’ny naha Filoham-pirenena azy, izay nambara fa tena nanamarika io firenen io. Nanaitra ary anton’ilay adihevitra kosa ny voalazan’ity Lehiben’ny diplaomasia Malagasy ity ny firesahany manokana ny fitakosenany tany amin’ny “moudjahidines” an’ny tafika momba ny fanafaham-pirenena, izay hetsika nataony tany aloha tany, kanefa amin’ny anararan’ny vahoaka Malagasy ny taratasy nalefa. Marina fa mety nisy fifandraisana manokana na tantara nanamarika ity Minisitra ity, saingy nanaitra ny niresahana izany manokana tao anatin’ny taratasim-panjakana. Maro no nametra-panontaniana hoe: inona no antony manokana na tokony hampidirana manokana ny “moudjagidines” ao anatin’izany? Tsy vao izao no niteraka resabe ity Minisitry ny raharaham-bahiny sady Lehiben’ny Diplaomasia Malagasy ity, fa efa nahazoany tsikera mivaivay ny faramparan’ny volana aogositra teo ny nandehanany nanampy isa ireo diaspora mpomba ny fitondrana nanao hetsika hanoherana ny diaspora mpanohitra sy hampisehoana fa miaro sy manohana ny Filoha. Minisi-panjakana, minisitry ny repoblika ny tenany fa tsy minisitry ny TGV-MAPAR. Tompon’andraikitra feno amin’ny fahafaham-barakan’ny Filoha amin’ilay nandeha nitonantonana toy ny vinanto tsy mahare fosa tany amina minisitra Frantsay nandritra ny fifanaovan-tsoniam-pitrosana ny alatsinainy teo ihany koa ity Minisitra ity. Tsy fomba ary tsy fanao, manala baraka ny asa maha Filoham-pirenena ny Filoha mandadilady any amina minisitra izany, ary tsy fanao amin’ny lafiny arofenitra, saingy niseho ny tsy fahita tao anatin’ny 60 taona.
Toky R
Andrasana anio 20 mey 2025 etsy amin’ny Antenimierampirenena ny Minisitra miisa 3
Manoloana ny resaka aely ao amin'ny kaominin’i Talata Volonondry mikasika ny
Kihon-dalana politika iray teto amin’ny Firenena sy ny antoko TIM ny raharaha 2009
Hatramin’ireo antoko politika neverina ho filamatra teto amin’ny firenena hatramin’ny repoblika voalohany