Ankoatra ny fiarahabana tratry ny taona, raha ny hita tamin’ny haino aman-jery, dia naneho hevitra teo anatrehan’ny kiana samihafa nahazo ny tafika indrindra fa taorian’ny fanambarana nataon’ny Minisitra fa ao an-damosin’ny Filoha ny mpitandro filaminana rehetra. Isan’ny naneho hevitra sy nilaza i Marc Ravalomanana ny 02 janoary teo, izay nilaza fa tokony hiverina amin’ny vahoaka ny tafika fa tsy sanatria atao fitaovana politika. Nahitsy i Marc Ravalomanana nilaza tamin’izany hoe: “Efa Filoha faratampon’ny Fololalindahy aho, ka nilaza tokony hiverina an-dakazerina fa tsy hampijaly vahoaka. Sahy milaza mihitsy ny tompon’andraikitra voalohany hoe hiaro na efa tsy marina izao, ka hanody ny taranany io. Sao mieritreritra hoe: mangina dia resy ny Malagasy, tsy resy intsony izahay, fa handresy. Ianareo milaza fa tsy afaka hihetsika izahay, afaka mihetsika ary mahavita hihetsika rehefa tena hihetsika…. Ho sahinay ny hanao izany etsy eny Analakely ary ho sahiko izany. Misy fotoana ny zava-drehetra fa mahalala ny tokony hataonay izahay, mahalanjalanja tsara, fa tsy fahafirin’ny isanay ny isanareo aman’aliny kely io. Tena vitanay izany, ary hataoko”, hoy I Marc Ravalomanana. Marihina fotsiny ihany koa, fa voaresaka tamin’ilay toriteny teny amin’ny fotoam-bavaka notarihin’ny FJKM toa nahatezitra ny mpitondra sasany ny hoe: “Ahenao ny tetibolan’ny tafika dia ambitomboy ny tetibolan’ny famokarana, ny fampandrosoana ny toekarena no hahatafavoaka fa tsy ny tafika”. Fifandrifian-javatra ihany ve sa ahoana fa toa tsikaritra ho misy valy bontana ankolaka? “Misy fanambarana, misy fihantsiana mihitsy aza, misy filazana fa ny tafika Malagasy dia laharana faramparany aty Afrika,… Ny olom-pirenena “normale” dia manana toe-tsaina miaro ny tanindrazana, ny tafika no voalohany amin’ny fiarovana ny firenena: miaro ny fiandrianam-pirenena, miaro ny sainam-pirenena. izany no tena fomba fisainana olom-pirenena. Raha misy olom-pirenena manambany ny tafika tokony hiaro azy dia mila manontany tena hoe: olom-pirenena sa tsia satria mitovy amin’ny fahavalo avy any ivelany izany”, hoy ny Minisitry ny fiarovana. Misy ady any Ukraine, fa manaja ny tafika ny vahoaka. Ao anatin’ny tany iray, manana anjara toerana ny tafika, ary henjana ny mahazo ny firenena tsy misy tafika, raha ny nambaran’io Minisitra io satria tafika avy any ivelany no voatery miditra an-tsehatra. Naneho fa tokony ho saro-piaro amin'ny fiarovana ny fiandrianam-pirenena sy ny sainam-pirenena satria izany no mampirindra ny fiarahamonina sady maha firenena ny firenena iray. Ny andraikitry ny tafika dia natao hiaro izany fiandrianam-pirenena izany sy ny vahoaka ao aminy ka tsy tokony haratsiana na henjehina, hoy ity Minisitra ity. Anisan'ny ezaka lehibe nataon'ny fitondram-panjaka hoy izy ny fanatsarana ny tontolo ny fiarovana sy ny foloalindahy ahafahana manatanteraka ny iraka izay nampanaovina ka ahatonga ny vahoaka Malagasy miaina ao anaty filaminana sy fandriampahalemena.
Toky R
Fitakiana io ary zon’ny rehetra ny midina an-dalambe, tena zo izany ary ny fianakaviambe iraisam-pirenena izay tsy
Mizara roa ny fanaovana politika, ka misy ny mitaky ny hanajana ny fiandrianam-pirenena sy ny fanjakana tan-dalàna
Ho mafy ity tolona ity, hoy ny mpitarika ny Hetsika fotsy, Hary Razafindrazaka! Be loatra, hoy izy,
Namoaka fanambarana manamafy ny hisian’ny fitarihana vahoaka eny amin’ny Kianjan’ny 13 may anio
Anio ny fotoana voatondro hisian’ny fidinana an-dalambe eny amin’ny Kianjan’ny 13 may
Araka ny efa nampozina sy efa mahazatra, namoaka fanambarana ny OMC (Organe Mixte de Conception)