airtel

Politique

17-oct-2023

Minisitry ny Fitsarana

Tsy azo ivalozana ny didin’ny HCC, tsy havotsotra ny fahefana..

Sample post image

Efa tsy any intsony angamba ny adihevitra ankehitriny, fa efa ao anatin’ny fampielezan-kevitra.

17-oct-2023

Araka ny voalazan’ny andininy faha-120 amin’ny lalàmpanorenana, dia tsy azo ivalozana ny didy avoakan’ny HCC, efa nanapaka fa efa nafindra any amin’ny governemanta mpiara-mitantana ny fitantanana ny firenena, dia tsy azo eritreretina intsony ny hoe hiverina any amin’ny Antenimierandoholona”, hoy ny Minisitry ny Fitsarana Rtoa Landy Mbolatiana Randriamanantenasoa omaly. Mihatra amin’ny Repoblikan’I Madagasikara ny fanapahana, ary rehefa izay no tapaka tamin’ity indray mitoraka ity dia tokony ho ekena, hoy izy. Nisy ny taratasy navoakan’ny Filohan’ny Antenimierandoholona teo aloha, narahin’ny fanapahana, ka tsy azo hiverenana intsony ary tsy maintsy miara-manaiky ny rehetra amin’ny maha tany tan-dalàna antsika, hoy hatrany ity Minisitra ity. Tsara ny mampahatsiahy, fa nialohan’ny nanonganana an’Atoa Herimanana Razafimahefa tsy ho Filohan’ny Antenimierandoholona, dia nisy ny ampamoaka nataony nilaza fa noterena sy norahonana ho faty izy mba tsy handray ny fahefana ho Filoham-pirenena mpisolo toerana. Tsy vitan’izay, fa narahina taratasy napetraka tamin’ny HCC mihitsy izany, ka nilazany fa niteraka olana ho an’ny firenena ny tsy fahafahany nandray izany, ka ho fanajana ny lalàmpanorenana sy handaminana ny firenena dia vonona izy. Endrika iray nanamafy iny ampamoaka iny, fa tena nisy ny fanonganam-panjakana tamin’ny alalan’ny andrim-panjakana na “coup d’Etat institutionnel”. Tsy nivaly akory anefa ny taratasiny dia notrongisina ny tenany, ary mbola adihevitra sy nahatonga ny depiote miisa 38 hitory eny amin’ny HCC ihany koa io fomba nanonganana azy io satria ny fanaikana fivoriana tsy ara-potoana ataon’ny governemanta dia tokony hiaraka hatrany ny antenimiera roa tonta. Nilaza moa ny minisitry ny fitsarana fa na nohalavaina aza ny fotoana hanaovana fampieleazan-kevitra dia tsy tokony ho any amin’ny “coup d’Etat institutionnel” intsony no adihevitra, fa efa miditra ao anatin’ny fifidianana isika. Manana ny heviny ny minisitra, saingy tsara ny manamarika fa ao anatin’ny governemanta izy, izany hoe manana tombotsoa arovana, ary sady “juge et partie”, hoy ny mpandinika. Tena tsy azo hivalozana tokoa ve ny didin’ny HCC na efa hita taratra aza ny tsy fahamarinan-toeran’io andrim-panjakana io izay ny kandida 11 amin’ny 13 no mitaky fa tokony tovanana CES na fitsarana manokana momba ny fifidianana Moa ve tsy ny fifanarahana politika no miakatra ho ambony rehefa tonga amin’izany ka izay hifanarahana eo no manan-kery Raha miverina amin’ny tantara dia ivelan’ny lalàmpanorenana ny fifanarahan’ny Panorama ny taona 1991, ny Tondrozotra tamin’ny 2010,… Tsy tao anaty lalàmpanorenana ny “pacte de responsabilité” efa natao teto, ivelan’ny lalàmpanorenana ny fampandravana ny governemantan’ny Praiminisitra Mahafaly Solonandrasana Olivier nialohan’ny fifidianana 2018,…

Toky R
 

Dans la même rubrique

21-mai-2025

Tsy mitsahatra ny manaraka ny fivoaran’ny toe-draharaham-pirenena misy eto amintsika ny

Card image cap
21-mai-2025

Taorian’ny fitsarana teny amin’ny Filankevi-panjakana na « Conseil d’Etat »

Card image cap
21-mai-2025

Araka ny efa nampoizina, notsipahan’ny Birao maharitry ny Antenimieramierampirenena

Card image cap
20-mai-2025

Andrasana anio 20 mey 2025 etsy amin’ny Antenimierampirenena ny Minisitra miisa 3

Card image cap
20-mai-2025

eto ny mpandraharaha any ivelany»

Card image cap
20-mai-2025

Manoloana ny resaka aely ao amin'ny kaominin’i Talata Volonondry mikasika ny

Card image cap