Olona miisa 1200 manerana ny Nosy no niaingana, nanaovana ny fanadihadiana, ka nivoahan’ny antontan’isa samihafa, izay notsipihin’ny Cabinet Coeff Ressources solontena mpiara-miasa amin’ny Afrobaromètre eto Madagasikara fa azo antoka ary mahasolo tena noho ny traikefa ara-panadihadiana matihanina, niarahana niasa ihany koa tamin’ny Ivon-toeram-pirenena momba ny antontan’isa na ny INSTAT. Valiny efatra lehibe no isan’ny nisongadina raha ny sehatry ny Miralenta dia ny hoe: mifikitra amin’ny foto-kevitra ny fitovian-jo ny Malagasy ho an’ny lafiny fisitrahana fandovana ara-tany satria nahatratra 87% ny fiombonan-kevitra amin’izany. Ambony ihany koa ho an’ny fitoviana eo amin’ny fahafahana manao politika izay nahatratra 75%,… Etsy andaniny, manaiky ny ankamaroan’ny Malagasy fa manana zo bebe kokoa ny lehilahy noho ny vehivavy amin’ny resaka asa rehefa mihavitsy ny asa satria nahatratra 66%. Nankasitraka bebe kokoa an’io ny lehilahy izay nanome salan’isa 73%, raha toa ka 59% kosa ho an’ny vehivavy. Nisongadina kosa ny tsy fahampian’ny vehivavy mitana andraikitra ambony, ny tsy fitovian’ny fahafahana sy ny karama amin’ny sehatry ny asa, ary ny herisetra mifototra amin’ny maha lahy na maha vavy. Ny vehivavy kosa no voasokajy ho manana fahaiza-mitantana ny karamany kokoa (25%) mitaha amin’ny lehilahy (12%). Ny 81% amin’ny Malagasy kosa no mankasitraka ny ezaky ny governemanta amin’ny fampiroboroboana ny fitovian-jo sy ny fahafahana ho an’ny vehivavy. Ho an’ny resaka zon’ny ankizy kosa, manamarina ny fampiasana ny kapoka sy ny fikasihan-tànana amin’ny fanintsiana ny ankizy amin’ny fitaizana azy ny Malagasy 82%, ary mihevitra ny ankamaroany fa azo ekena indraindray (52%), ary azo ekena foana ny fanasaziana mifototra amin’ny ara-batana (32%). Mahagasy maherin’ny 6 amin’ny 10 no milaza matetika ny tsy fianaran’ny ankizy amin’ny taona tokony ho efa handehanany any an-tsekoly. Matetika ny fisian’ny herisetra sy vono mahazo ny ankizy eo amin’ny fiarahamonina raha ny fanehoan-kevitry ny 74%,… Zava-dehibe ka tokony hozaraina amin’ny Malagasy satria manampy amin’ny fanapahan-kevitra samihafa toy ny ara-pitantanana.
Toky R
Voaporofo fa tsy afaka hahavaha olana eto Madagasikara ny fitondràna amin’izao fotoana izao,
Ho lasa zanatany israelianina indray izany i Madagasikara raha io fanomezana tany
Namoaka ny fanambarana mivaivay faninefany i Kolonely Patrick Rakotomamonjy,
Taorian’ireo kabary nifamaliana toy ny resaka saina sy hozatra, pelaka sy tsy pelaka,
hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra
Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,