hoe ny avy amin’ny fanoherana nivoakan’ny antenimieram-pirenena dia efa fahita izany, hoy ny antoko politika Fiombonana, fa ny mampametra-panontaniana ny maro fotsiny dia hoe ireo depiote avy amin’ny fanoherana ire ove moa tsy ilay nandany 100% ny filohan’ny antenimieram-pirenena ihany? Tsy fanomezam-boninahitra an’ilay andrim-panjakàna misy an-drizareo ve, hoy ny sekretera jeneralin’ity antoko ity, Durlin Retogniane, no anton’ireo fivoahana ireny sa tsy fankatoavana ilay PGE na Praograma ankapoben’ny fanjakàna izay naroson’ny praiminisitra lehiben’ny governemanta? Mampametra-panontaniana ihany koa satria maro no milaza fa tsy voasoratra ao anatin’ny lalàna hoe tsy maintsy governemanta vaovao no hiaraka hanolotra miaraka amin’ny praiminisitra izay PGE izay eny anivon’ity andrim-panjakana ity. Marina tokoa izany! Aza adino nefa fa efa ela, 1 volana mahery kely eo no naha voatendry indray ny praiminisitra! Inona ary no manakana ny filoham-pirenentsika tsy hanangana governemanta mba hahafahana manafaingana ny asa miandry ireo mpikambana eo anivon’ny governemanta ireo? Lasa fivoahana any ivelany no maha may ilay filoham-pirenena, mety misy antony manokana tsy fantantsika ve? Tokony hifantoka amin’ny raharaha anatiny aloha ny fitondram-panjakana! Ny famakiana ivelany ny fivoahan’ny filoham-pirenena any ivelany foana dia toy ny milaza hoe milamina ny raharaha anatiny nefa hita taratra hoe mbola be dia be ny olana mbola tsy voavaha hatreto, na ara-tsosialy io na toekarena. Io, ohatra, ny olan’ny JIRAMA, izay mampikaikaika ny maro amin’izao fotoana izao. Aiza ny fitondram-panjakana? Ahoana no fananganana ilay governemanta mba tena handray ny andraikiny eto amin’ny firenena? Eo koa ny olana amin’ny tsy fandriampahalemana, ny fahasimban’ny lalana, ny olana amin’ny fitaterana na ana habakabaka io na an-tanety. Tokony hanosika ny filoham-pirenentsika hanangana ny governemanta anaty tena fahamehana izany rehetra izany, hoy hatrany ny fanazavana.
J. Mirija
Voaporofo fa tsy afaka hahavaha olana eto Madagasikara ny fitondràna amin’izao fotoana izao,
Ho lasa zanatany israelianina indray izany i Madagasikara raha io fanomezana tany
Namoaka ny fanambarana mivaivay faninefany i Kolonely Patrick Rakotomamonjy,
Taorian’ireo kabary nifamaliana toy ny resaka saina sy hozatra, pelaka sy tsy pelaka,
hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra
Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,