ka mifangaro ny lanonam-panjakana sy ny hetsika politika, kanefa ny hafa sakanana. “Natao ho an’ny rehetra fa tsy hijerena tavan’olona ny lalàna, ary mihatra amin’ny olom-pirenena rehetra. Mitaky ny fanajana ny fenitra demokratika sy ny fanajana sy zon’ny Malagasy iray manontolo izay iantoan’ny lalàmpanorenena io firaisamonim-pirenena”, hoy io Firaisamonim-pirenena io. Nahitsy ny KMF/CNOE nilaza fa misy ny fanararaotana ataon’ny fitondrana. “Manararaotra ny fanokanana fotodrafitrasa sy fanokanana zava-bita etsy eroa ny antoko politika ao anatin’ny fitondrana hanaovana hetsika sy fanambarana politika, hanaovana fitaovana sahady ny mpifidy ho tia ny antoko na heverina ho kandidan’ny antokon’ny fitondrana”, hoy ny Filohan’ny KMF/CNOE. Samy mahita sy mahare ny fiteny mandeha hoe: tia ny Filoham-pirenena isika dia fantatrareo ny tokony atao, fitia mivaly fitia, raha mahay mamaly,… ankoatra ireo fiteny izay mandrangitra adim-poko eto amin’ny firenena, hoy hatrany ny fanazavana. Nanipika io firaisamonim-pirenena io, fa raha mbola hampiharina ilay fanambarana nataon’ny Minisitry ny atitany ny 31 martsa mandrara, dia tokony hitovy ny rehetra, anaty trano ny fanaovana kabary politika, fa tsy afangaro amin’ny fanaovana raharaham-panjakana. Tokony kabary mampiseho firaisan-kiana sy maha iray ny vahoaka fa tsy kabary fanindrahindrana na fitaomana sahady ny mpifidy amin’ny antokon’ny fitondrana, hoy ny Filohan’ny KMF/CNOE. Efa nisy moa ny fanambarana nataon’io Firaisamonim-pirenena io afak’omaly 17 aprily naneho io fanararaotana sy fampifangaroan’ny Fanjakana ny lanonana ara-panjakana sy ny hetsika politika io, fa anisan’ny nampametra-panontaniana azy ireo ny fandaniana mihoampampana amin’ireny lanonam-panjakana ireny, raha mihoatra amin’ny fahasahiranana lalina mianjady amin’ny vahoaka.
Toky R
Misy antony mazava tsara, hoy ny mpandrindra nasionalin’ny vovonan’adilahy
Efa tsy hilamina intsony io ao Toliara io, hoy ny filohan’ny antoko politika Natiora,
Avy any atsimo dia hihazo ny tapany avaratry ny Nosy avy hatrany izahay
Hita ho somary mba nalefaka na hoe «modéré» kokoa ny kabary nataon’andriamatoa
Tsy mitsahatra ny manaraka ny fivoaran’ny toe-draharaham-pirenena misy eto amintsika ny