Efa ho 1 km mahery ny halavan'ny vahoaka nanao ny diabe ary nahitana ny sokajin-taona rehetra. Mian-dahy miam-bavy, misy ny sokajim-piarahamonina rehetra ihany koa.
ASA, ASA HATRANY
Isika efa nampiseho fa miasa ary hanohy ny asa hatrany hoy i Tahina Razafinjoelina, tsy mampanantena zavatra tsy ho vita na mampanonofy isika fa manome asa. Naverin'ny kandidan'ny Tia Tanindrazana indray fa ny atao hoe mahay politika dia mahavita manome asa ny olona, mahavita mampandroso. Tsy misy resaka be fa fandaminana no natao teny Ambohimanarina, ka ankoatra ny diabe dia natao ihany koa ny Asa Maharitra ho an'Antananarivo na AMA. Raha toa ka nanalasala izy ity tany am-boalohany, tena misokatra ny masonay ankehitriny ary tonga saina izahay fa i Tahina Razafinjoelina no tena vahaolana ho an'Antananarivo hoy ny vahoaka maro be tonga teny Ambohimanarina. Ny nahazatra hatramin'izay rehefa propagandy dia hirahira sy dihy, sakafokafo kely, T-shirt sy kaskety na lambahoany, mandeha avy eo ny karazana kabary sy famoanantenana. Hafa sy miavaka kosa ny an'i Tahina fa asa avy hatrany aloha, vita ny asa vao miresaka. Tena manampy anay izao hoy ireo olona efa nahazo tombotsoa, tamina fokontany maro teto Antananarivo renivohitra.
MANOMBOK'ETO NY FANOVANA
Miezaka manova ny fomba fanaovana politika i Tahina Razafinjoelina ary manao ny ainy tsy ho zavatra amin'ny fanabeazana ara-politika ny olom-pirenena. Mila mianatra, mila miasa, mila mahay miara-miasa isika hoy izy ary aza variana amin'ny fonony ety ivelany fa ny atiny no tena imasoana sy ifantohana aloha. Aoka isika tsy ho kivy hoy ny kandida laharana faha-2 fa rehefa miasa tsara sy mifanome tanana dia mahatody lavitra. Atao ny mahasoa fa nahafinaritra ny vahoaka teny Ambohimanarina ihany koa ny sabotsy teo ny nahita ny moanakanto sy olo-malaza toa an-dry TSOTA, SKAIZ ary JORK.
ENCADRE
Efa an-jatony ihany koa ireo Fiara sy moto mpiaradia amin'i Tahina Razafinjoelna nanatanteraka ny Carnaval lehibe nitety an'Antananarivo omaly .Hita sy tsapa amin'ny hetsika rehetra natao hatreto ny hoe : tena resy lahatra ary vonona handray andraikitra ireo rehetra miaradia amin'i Tahina. Politika mampivoatra, politika mampandroso no entintsika fa tsy politika hifaninanana mba ahazoana toerana sy tombotsoa, hoy i Tahina Razafinjoelina.
Nangonin'i RTT
Voaporofo fa tsy afaka hahavaha olana eto Madagasikara ny fitondràna amin’izao fotoana izao,
Ho lasa zanatany israelianina indray izany i Madagasikara raha io fanomezana tany
Namoaka ny fanambarana mivaivay faninefany i Kolonely Patrick Rakotomamonjy,
Taorian’ireo kabary nifamaliana toy ny resaka saina sy hozatra, pelaka sy tsy pelaka,
hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra
Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,