airtel

Politique

29-févr-2024

Mpaka fo, bibiolona, faminaniana, biby,…

Nandrendrehana ny sain’ny Malagasy hanadinoany ny fahantrany…

Sample post image

Mpaka ra, mpaka fo, bibiolona, kelibetratra, fara andro, halatra taolam-paty,

29-févr-2024

 faminaniana hafahafa, biby hafahafa,… Tranga sy toe-javatra efa re teto amintsika avokoa ireny, ary efa hatrany amin’ny repoblika voalohany na faharoa no nalaza ny sasany. Betsaka angamba ny mahatsiaro ny fahazazany toy ny tany amin’ny taona 80-90 momba ny resaka mpaka ra indrindra fa tamin’ny tontolo ambanivohitra ka mandeha hatramin’ny famariparitana hoe: vao misy fiara kely miloko mena, matroka fitaratra,… dia io mpaka ra avy hatrany no resaka. Mandeha ny karazana tondro molotra sy kihonohono eny amin’ny fiarahamonina fa izay manamanan-karena eo amin’ny fiaraha-monina dia mpaka fo na mpaka ra! Tahaka izany ihany koa ny resaka kelibetratra izay nisy tokoa ny biby hafa toy ny alika izay matiny,… Talohan’izay ny resaka bibiolona izay tena nalaza sy nampivarahontsana ny maro. Marina fa nisy tokoa ny tranga hita maso voalaza fa noho ny fisian’ireny tranga ireny, fa rehefa zohiana anefa, toa tsy hita izay tena marina tao ambadik’ireny sy porofo velona hoe: io tokoa ary ilay biby na zavatra, fa ohatran’ny kihonohono no betsaka. Mitohy mandrak’ankehitriny raha tarafina amin’ny zava-misy io resaka biby voalaza fa mamono sy mandripaka biby fiompy io, ary hatramin’ny olona aza efa misy lasibatra, raha ny vaovao avy any Brickaville. Niainga tamin’ny toerana iray, ary miparitaka amin’ny faritra maro ny tranga. Mbola tena anaty misitery anefa hoe: inona marina ny ao ambadik’izy ity? Tena zava-misy ara-boajanahary sa tranga iniana foronina hoentina mandrendrika saim-bahoaka?
FANDRENDREHANA SAIM-BAHOAKA?
Amin’ny lafiny iray mantsy, toa zary mitady ho lasa trangam-piarahamonina handrendrehana ny saim-bahoaka ho any amin’ny adihevitra tsy dia lasa lavitra, hanadinoany ny olana sy fahantrana mianjady amin’ny vahoaka, tsy hieritreretany lavitra kokoa ho an’ny fanatsarana sy fihatsaram-piainana, hampihorohoroana ny saina amam-panahiny, fitarihana ny sainy hinohino foana,… Tsy manamaivana an’ireny tranga ireny fa rehefa sahirana sy rendrika ao anaty fahantrana ny vahoaka dia mora kokoa ny manjanaka azy ara-tsaina, manodina ny sainy amin’ny zavatra tsy dia manao ahoana, tsy hitodihany any amin’ny tsy fahombiazan’ny mpitondra, manao tohatra fiakarana azy, manodinkodina ny fomba fijeriny,… Zary lasa nolalaovina tamin’ny politika sy ny fivavahana izay lasa misy mamadika ho bizina io. Nahoana no arakaraka ny fitosaky ny karazana antokom-pivavahana sy fiangonana ary ireo misora-tena ho mpaminany mitondra famonjena izay maniry ohatry ny anana no vao mainka mitombo ny tahan’ny mahantra, tsy fandriampahalemana, asa ratsy,… aty amin’ny tany efa mahantra toa antsika? Moa tsy lasa fanjonoana sy bizina sy fandrendrehan-tsaina mba hitangosana ny vola amam-pananan’ny efa mahantra ve no betsaka? Hatramin’ny mpitondra Fanjakana no lasa milalao saim-bahoaka tamin’ny resaka faminaniana, mitaiza vahoaka amin’ny kisendrasendra sy toa mitory ankolaka hoe: tsy mila miasa sy mifofotra mafy dia tafita. Dia ireny niaraha-naheno ireny tamin’ny andron’ny coronavirus ny famoronana mpaminany sandoka tamin’ny alalan’ilay hoe: Johanna Brezilianina nentina nankalazana ny fitondrana tamin’izany izay mbola tafaverina amin’izao, fa hoe: isika Malagasy no hamonjy izao tontolo izao. Mby aiza izany 3 taona aty aoriana? Betsaka ny endrika fandrendrehana saim-bahoaka indrindra amin’ny ara-politika ary mety ho tafiditra tao anatiny, ohatra, ireny resaka hoe: famonoana filoham-pirenena ireny, fa ny zavatra tena niseho sy nandeha taty ambadika dia nirongatra ny trafikana harem-pirenena hany ka hatramin’ny volamena tany anaty Biraom-panjakana aza nanjavona, nirongatra ny kolikoly, afera maloto,… Miombo ny fahantrana sy fahasahiranam-bahoaka toy ny hoe: efa 1500-2000Ar anie ny kapoakan’ny vary any amin’ny faritra sasany any Sofia, efa 6000Ar anie ny kilaon’ny karaoty amin’izao fotoana izao, ifampitadiavana anie ny arina fandrehitra ka efa 35000-40000Ar ny iray gony,… kanefa toa lasa tsy maharototra fa resaka biby no mibahan-toerana. Manararaotra ny tsy fahampiana fahalalana eo amin’ny vahoaka dia mamitaka sy manabado!? Aiza moa no handroso isika !? Toky R
 

Dans la même rubrique

25-juin-2024

Feno 64 taona amin’ity 2024 ny niverenan’ny fahaleovantena an’i Madagasikara. 10 taona tao anatin’io no naha filoha an’i Andry Rajoelina

Card image cap
25-juin-2024

Tsy mihemotra, fa mitazona hatrany ny fijoroany hanao hetsika am-pilaminana eny ivelan’i Mahamasina rahampitso

Card image cap
25-juin-2024

Andro vitsy mialohan’ny fotoana heverina fa hivoahan’ny valim-pifidianana ofisialy avy etsy amin’ny HCC.

Card image cap
25-juin-2024

Vita 100% ny fampanantenana nataon’ny Ben’ny tananan’Ampitatafika Rado Ramparaoelina

Card image cap
24-juin-2024

Tsy ho ela ny fambarana amin’ny fomba ofisialy ny voka-pifidianana.

Card image cap
24-juin-2024

Ankoatran’ny fampanenoana lakolosy manoloana ny tsy fahatomombanan’ny fifidianana na koa hoe fahitana

Card image cap