airtel

Politique

17-juin-2024

Mpandatsaka an-davaka milaza nandray lavaka

« Marina fa mahantra ny maro an’isa, Firenena lavaka be no noraisintsika… »

Sample post image

Marina fa mahantra ny maro an’isa, latsaka an-davaka ny firenena.

17-juin-2024

Zavatra lavaka be no nandraisantsika ny firenena, ny zavatra simba hamboarina, ny tsy mety hatsaraina,… », hoy ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina tany Toamasina ny faran’ny herinandro teo, raha nitokana ny Miami sy ny Boulevard Ratsimilaho. Firenana latsaka an-davaka no noraisiny sa izy no mpandratsaka an-davaka ny firenena isak’izay mahazo fahefana ? Nanao ahoana talohan’ny 2009 dia nanao ahoana ny firenena taorian’ny fahavitan’ny tetezamita ? Nanao ahoana indray talohan’ny 2018 dia nivoatra sa nihemotra isika ara-toekarena, tahan’ny fahantrana, vidim-piainana,… tao anatin’ny 5 taona farany nitondran-dRajoelina ? Tena tsy manaiky ho diso sy tompon’antoka tamin’ny filatsahan’ny firenena an-davaka na dia tompon’andraikitra feno aza, ary miteny ho azy ny tarehimarika momba ny tondro amin’ny fahantrana raha tsy hilaza afatsy ny hoe : tafakatra 80,7% ny Mahantra fadiranovana ankehitriny raha 74% teo tamin’ny 2018. Nolazaina fa hamboarina tahaka an’i Boulevard Ratsimilaho i Madagasikara. Betsaka ny zavatra nambara fa natao, vao lany dia tao no nanamboarana Sekoly manara-penitra voalohany, hopitaly,… Nirarakopana indray ny fandokafan-tena sy ny fampanantenana, ka nilazana fa hanao « gymnase » goavana ao Toamasina. Volona jona isika izao, ary amin’ny volana jona 2024 dia ho avy hitokana izany, hoy i Andry Rajoelina izay diso fiteny angamba ka asa na jona 2025 na 2026 na 2030 no tiany hambara ? Efa nanaovana fampanantenana poakaty tahaka io teto Antananarivo rehefa namiratra tao anatin’ny Afrobasket ny Malagasy, ka nilazana fa hanao gymnase mahazaka olona 8000 isa. Nolazaina fa hisy « fontaine musicale » izay « jeu d’eau » manaraka ny gadon’ny mozika ao amin’ny Miami, efa ao ny « jardin des amourex » ho an’ny mpampiaraka, hampiana «plage des amoureux », hisy « chaine Hôtelière » ngezabe ho avy ao Toamasina. Nambara fa hisokatra ny 3 septambra ny sidina Dubai-Antananarivo, ka ampitomboina ihany koa ny sidina Antananarivo-Toamasina,... Ekena fa mety tsy ratsy sy mamirapiratra tokoa ireto zavatra notokanana sy hireharehana izay ilazana fa mandroso sy miova i Toamasina. Mety misy akony ara-pizahantany tokoa noho ireto saingy mifanaraka amin’izany ve ny fari-piainan’ny vahoaka. Sao dia lasa haingo ambony tsikoko hatrany rehefa mbola ny fari-piainan’ny maro an’isa no mikorosy fahana andro aman’alina. Ireo ve no tena tadiavin’ny Malagasy sa ny hohaniny isan’andro, ny hananany asa, fanalefahana ny vidim-piainana tsy zakany,… I Andry Rajoelina no miaiky fa mahantra ny maro an’isa ka ny fanaovana Miami ve no hamaha ny fahantran’izay maro an’isa izay ?
Toky R

 

 


 

Dans la même rubrique

22-mai-2025

Naloto tanteraka ny antenimieram-pirenena eny Tsimbazaza

Card image cap
22-mai-2025

Misy antony mazava tsara, hoy ny mpandrindra nasionalin’ny vovonan’adilahy

Card image cap
22-mai-2025

Efa tsy hilamina intsony io ao Toliara io, hoy ny filohan’ny antoko politika Natiora,

Card image cap
22-mai-2025

Avy any atsimo dia hihazo ny tapany avaratry ny Nosy avy hatrany izahay

Card image cap
22-mai-2025

Hita ho somary mba nalefaka na hoe «modéré» kokoa ny kabary nataon’andriamatoa

Card image cap
21-mai-2025

Tsy mitsahatra ny manaraka ny fivoaran’ny toe-draharaham-pirenena misy eto amintsika ny

Card image cap