hita faty tao an-tranony tao amn’ny Fokontany Besakoa, raha ny vaovao niparitaka omaly. Mpikirakira ara-informatika no asany, ary voalaza fa mpiara-dia amin’ny Kandida Siteny Randrianasoloniaiko. Isan’ireo tanora mpandraharaha voalaza fa tena nahiratra sy matsilo saina na “surdoué” amin’ny lafiny informatika. Tsy fantatra mazava ny antony namonoana azy, fa ny findainy sy ny rantsan-tànany no voalaza fa nalain’ireo tsy mataho-tody, niampy ny “caméra de surveillance” sy ny “disque dur” tao amin’ilay toerana. Heverina avy hatrany, fa nentina namahana ilay finday no nakana ny rantsan-tanany, ary tsy hahafahana mahafantatra ny mpanao ratsy no nakana ireo fitaovana hafa. Ao anatin’ny toe-draharaha politika mafampana no isehoan’izao ka maro no mametra-panontaniana hoe: mifandraika amin’izany ve noho ity farany voalaza fa mpiara-dia sy olona tena nahatokisan’ny kandida iray? Mpikirakira informatika ity mpandraharaha tanora novonoina tamin’ny fomba feno habibiana ity ka misy ifandraisany amin’ny resaka tsiambaratelo mikasika izany toy ilay rindram-baiko Predator izay voalaza fa natao hitsikilovana olona ara-politika ve?
Toky R
Misy antony mazava tsara, hoy ny mpandrindra nasionalin’ny vovonan’adilahy
Efa tsy hilamina intsony io ao Toliara io, hoy ny filohan’ny antoko politika Natiora,
Avy any atsimo dia hihazo ny tapany avaratry ny Nosy avy hatrany izahay
Hita ho somary mba nalefaka na hoe «modéré» kokoa ny kabary nataon’andriamatoa
Tsy mitsahatra ny manaraka ny fivoaran’ny toe-draharaham-pirenena misy eto amintsika ny