airtel

Politique

04-août-2023

Politique

Mpikamban’ny Kongresin’ny tetezamita

Sample post image

Mila mifandamina hisorohana ny rombo!

04-août-2023

Namoaka fanambarana ny Fikambanan’ny Mpikamban’ny Kongresin’ny Tetezamita na FMKT izay fikambanana mijoro ara-dalàna izay 350 eo no mbola velona, fa mahatsiaro tena ho manana adidy eo anatrehan’ny kihon-dàlana lalovon’ny firenena izay mandalo olana amin’izao fotoana izao. “Tokony hanana fanentren-tena lalina ny olon-drehetra mieritreritra hitondra an’I Madagasikara, ka hametraka ho vaindohan-draharaha ny fitiavan-tanindrazana. Ilàna fitoniana eo amin’ny sehatra politika izany”, hoy ny FMKT tamin’ny alalan’ny Filohany Atoa Ratolojanahary Andrianasy Lucien. Notsiahivin’ny FMKT fa ny antom-pisiany tao anatin’ny kongeresin’ny tetezamita, dia nanao lalàna nenti-namaha olana sy nandravona ny krizy, raha tsy hiteny afatsy ny lalàna miisa 63 nahatongavana tamin’ny rafitra nahafahana nanao fifidianana neken’ny rehetra. Tamin’ny andron’ny tetezamita no namoahana ny tondrozotra sy lalàna maro noheverina fa entina hamahana ny krizy. Mihevitra izy ireo fa raha nampiharina araka ny tokony ho izy ireny dia tsy ho tonga amin’izao tsy fitovian-kevitry ny samy mpanao politika ankehitriny izao. Naneho fa ilaina ny fifanakalozan-kevitra, ka mijanona ho hery afovoany ny FMKT. Efa nihaona tamin’ny SADC sy ny Vondrona Eoroepeanina ny Biraon’ny FMKT. Isan’ny notaterin’izy ireo tamin’ny SADC ny hoe: mila fifidianana mangarahara, tsy mitanila, eken’ny rehetra, lavitry ny hosoka izay vao milamina. Ny dingana sy ny fepetra misy hatreto anefa dia tsy tonga amin’izany, fa mila ny Fanjakana sy ny herivelona rehetra hifandray tànana hisian’ny marimaritra iraisana hisian’ny lisi-pifidianana harafitry ny rehetra satria mampifanolana, hisian’ny lalàm-pifidianana vaovao, fandrafetana CENI sy HCC vaovao, ary maninona moa raha manangana governemanta ny herivelona sy ny Fanjakana mba hitondra antsika amin’ny fifidianana? hoy io FMKT io, izay nilaza fa izay ihany no làlana ahafahantsika miroso amin’ny fifidianana. Mbola misy 6 volana, mbola amin’ny 19 janoary no tapitra ny fe-potoana iasan’ny Filoha izay heverina fa Raiamandrenin’ny Malagasy hatreto, ka raha izy no miantso hoe: andao hifanamboatra sao ahitan-doza ny fandehan-draharaha, dia mbola misy fotoana, hoy Atoa Beanjara Paul. Nanamafy izy ireo fa mila milamina tsy hidirana amin’ny rombo, saingy nilaza rehefa nanontaniana, fa tsy maniry tetezamita ary nilaza fa tsy mitady an’izany, ary tsy hiditra amin’izany ny FMKT.
Toky R

 

Dans la même rubrique

20-mai-2025

Andrasana anio 20 mey 2025 etsy amin’ny Antenimierampirenena ny Minisitra miisa 3

Card image cap
20-mai-2025

eto ny mpandraharaha any ivelany»

Card image cap
20-mai-2025

Manoloana ny resaka aely ao amin'ny kaominin’i Talata Volonondry mikasika ny

Card image cap
20-mai-2025

Kihon-dalana politika iray teto amin’ny Firenena sy ny antoko TIM ny raharaha 2009

Card image cap
19-mai-2025

Hatramin’ireo antoko politika neverina ho filamatra teto amin’ny firenena hatramin’ny repoblika voalohany

Card image cap