Efa nivoaka ofisialy ny didim-panjakana manaika ny mpifidy hifidy Filoham-pirenena amin’ny 9 novambra ho avy izao. Nitondra famporisihana ny olom-pirenena handray anjara mavitrika amin’izany ny solontenan’ny Fiombonamben’ny mpikaroka momba ny mponina eto amin’ny faritra SADC, na ny «Représentant de l'union pour l'étude de la population africaine dans la région SADC “, Atoa Ndremitsara Tarzan. Aminy, tsy fotoana hanaovana tetezamita intsony izao, fa fotoana hirosoana amin’ny fifidianana ara-demokratika, ka ireo mpanao politika sy ireo karazam-pikambanana samihafa mihitsy no tokony ho efa ao anatin’ny fanentanana ny olony mba handray anjara mavitrika amin’io fifidianana io. “Raha izao rivotra politika misy eto izao, dia ny firosoantsika amin’ny fifidianana ihany no azo antoka fa hampisy fitoniana eto Madagasikara. Ny fandraisan’anjaran’ny olom-pirenena maro amin’ny fifidianana mantsy no mariky ny demokrasia sy mahamarin-toerana an’izay mpitondra ho lany eo”, hoy hatrany izy. Nohamafisiny fa raha te hahita fitoniana sy filaminana isika, dia ny firosoana amin’ny fifidianana ihany no vahaolana, ary tsy misy hafa tsy izay. Ankoatra izay, nitondra fanentanana sy fisaorana ny mpitandro filaminana amin’ny fijoroan’izy ireo sy ny fanehoany fa hiaro ny fandriampahalemana sy fitoniana mialoha, mandritra ary aorian’ny fifidianana ity solontenan’ny fiombonamben’ny mpikaroka momba ny mponina eto amin’ny faritra SADC ity. Nanatitrantitra noho izany ny tenany, fa tsy ilaina intsony ny korontana fa ny fifidianana ihany no vahaolana farany. “Ho betsaka indray ny voka-dratsy rahatoa ka mihemotra io daty efa napetraka io. Raha sanatria ka izay hitranga, dia azo antoka fa ho velona daholo indray ireo antoko politika tsy nanao na inona na inona teto amin’ ny Firenena. Ireo mpanao politika mpivarotra tanindrazana ireo indray avy eo no hiady sisika hahazo toerana fotsiny. Aleo handeha ny fifidianana, madio, mangaraharaha, mahaleo tena ary eken’ ny rehetra”, hoy hatrany I Ndremitsara Tarzan.
Ndremitsara Tarzan, solontenan’ny Fiombonamben’ny mpikaroka momba ny mponina eto amin’ny faritra SADC.
Toky R
Andrasana anio 20 mey 2025 etsy amin’ny Antenimierampirenena ny Minisitra miisa 3
Manoloana ny resaka aely ao amin'ny kaominin’i Talata Volonondry mikasika ny
Kihon-dalana politika iray teto amin’ny Firenena sy ny antoko TIM ny raharaha 2009
Hatramin’ireo antoko politika neverina ho filamatra teto amin’ny firenena hatramin’ny repoblika voalohany