tarihin’ny Filohany Donald Trump, mikasika ny fanapahana ireo karazana famatsiam-bola sy tohana samihafa amin’ny alalan’ireo rafitra goavana eran-tany. Mihidy ny « robinet » amin’ny resaka fanohanana samihafa afatsy Firenena 2 ihany sisa dia i Egypte sy Israel. Mbola resaka hafa ny mikasika an’i Madagasikara amin’ny lafiny ara-toekarena amin’ny tsenan’ny AGOA (African Growth and Opportinuty Act). Maro ny mason-tsivana arahina tomban’ezaka mikasika an’i Madagasikara, ka lohalaharana ny fanajana ny zon’olombelona sy demokrasia, Firenena tsara tantana sy Fanjakana tan-dalàna. Mahafeno an’izay ve i Madagasikara izay vao avy tratry ny fanadihadiana tany Genève Suisse mikasika ny tsy fanajana zon’olombelona ? Hanao ahoana ny mikasika ireo orinasa mba manantena sy miantehatra ny tsenan’ny AGOA ? Tahaka izany ihany koa ny famoretana politika, izay tsy maintsy tonga any ny tatitra. Hentitra amin’ny Firenena an-dalam-pampandrosoana i Etazonia, hoy ny tompon’andraikitra ambony iray tamin’ny Fitondrana Ratsiraka. Ny resaka kolikoly sy Fanjakana tsara tantana, dia anisan’ny Firenena nalaza ratsy i Madagasikara tamin’ny fitantanana ny famatsiam-bolan’ny covid-19 izay hatramin’ny Fitsarana momba ny kaonty namoaka tatitra momba izany. Nalaza ny arovava mitentina 15000Ar ao anaty faktiora, vilany 1000 000Ar,… Vao farany teo ny nampiasana ny tohana ara-tsosialy avy amin’ny Banky Iraisam-pirenena tamin’ny propagandy. Misy akony amin’ireo famatsiam-bola sy fampiasam-bola lehibe eto Madagasikara ireny rehetra ireny. Ny Amerikanina no isan’ny mpitondra volabe na « grand contributeur » ao amin’ireo rafitra ara-bola toy ny Banky Iraisam-pirenena sy ny FMI. Fanjakana efa toloram-potsiny ny eto amintsika, saingy mbola ratsy tantana,… ka tsy azo hihodivirana ny fiantraikany goavana eto amintsika. Tsy resaka Etazonia sy ny politikan’i Trump ihany fa eo anatrehan’ireo rafitra samihafa eran-tany… Isan’ny ho henjana ny fialana ao anatin’ny OMS na ny Sampan-draharaha Iraisam-pirenena momba ny fahasalamana, izay i Etazonia no mitondra tohana ara-bola betsaka indrindra, kanefa hiala. Manodidina ny 1,3 miliara dolara ny anjara birikin’i Etazonia isan-taona raha ny antontan’isa farany ny 2022-2023 izay manome 20% raha kajiana amin’ny tetibolan’ny OMS ny 2024-2025 izay eo amin’ny 6,8 miliara dolara. Ny mivantana io, fa mbola betsaka ireo tetikasa ara-pahasalamana sy ara-tsosialy vatsian’i Etazonia mivantana, toy ny vaksiny, Vitamine A,… izay anisan’ny miankin-doha amin’izany isika. Betsaka ihany koa ireo tetikasa goavana toy ny fampisitrahana rano fisotro madio, ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo,… izay mampanahy ny ho aviny. Ahoana no hiatrehana izany ? Manam-bahaolana ve ny Fitondrana? Hay ve ny mamadika ireo harena eto ho fanoitra ara-toekerana sa dia natao higalabonan’ny olom-bitsy hatrany ?
Toky R
Misy antony mazava tsara, hoy ny mpandrindra nasionalin’ny vovonan’adilahy
Efa tsy hilamina intsony io ao Toliara io, hoy ny filohan’ny antoko politika Natiora,
Avy any atsimo dia hihazo ny tapany avaratry ny Nosy avy hatrany izahay
Hita ho somary mba nalefaka na hoe «modéré» kokoa ny kabary nataon’andriamatoa
Tsy mitsahatra ny manaraka ny fivoaran’ny toe-draharaham-pirenena misy eto amintsika ny