airtel

Politique

25-sept-2024

Mpitondra sy ny fifidianana kaominaly

«Tsy tena olona manan-kevitra fa olona manam-bola…»

Sample post image

Azo antoka izany izao, hoy ny antoko politika Fiombonana, fa tokony ho tanteraka ny fifidianana ho atrehintsika

25-sept-2024

amin’ny 11 desambra satria manam-bola afaka hikarakarana fifidianana ny CENI. Ny vola alaina amin’ireo anto-bola ireo ihany tsinona, hoy ny sekretera jeneralin’izy ireo, Durlin Retogniane, no mety handrasan’ny fitondram-panjakana hanatanterahana ilay fifidianana. Io izany, hoy izy, no hahafahana mamatsy vola ilay CENI izay sahirana ara-bola amin’izao fotoana izao. Vitsy na malaina ny kandida amin’ny fifidianana kaominaly satria tsy tena izay olona manan-kevitra no tian’ny fitondram-panjakana hirotsaka ho eo amin’ny toeran’izany ben’ny tanàna izany fa izay olona manam-bola. Hitantsika ny fanasarotana ny fikarakarana antotan-taratasy. Tsy hiresaka isika afa-tsy ny fakàna ny «état 211bis», ny karatra maha olompirenena na «certificat de nationalité» izay nivalozany ihany taty amin’ny farany satria hitany fa vitsy ny olona nahazo izany teo anivon’ny fitsaràna. 1695 no isan’ny kaominina manerana an’i Madagasikara. Raha andeha ataontsika hoe misy kandida miisa 3 avy izany isaky ny kaominina, «certificat de nationalité» miisa firy izany no avoakan’ny fitsaràna? Ho vitan’ny fitsaràna ao anatin’ny fotoana fohy ve ny hamoaka an’ireo? Izay no mahatonga anay miteny hoe nohasarotina ilay fikarakarana antotan-taratasy, hoy hatrany ny antoko politika Fiombonana.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

21-mai-2025

Tsy mitsahatra ny manaraka ny fivoaran’ny toe-draharaham-pirenena misy eto amintsika ny

Card image cap
21-mai-2025

Taorian’ny fitsarana teny amin’ny Filankevi-panjakana na « Conseil d’Etat »

Card image cap
21-mai-2025

Araka ny efa nampoizina, notsipahan’ny Birao maharitry ny Antenimieramierampirenena

Card image cap
20-mai-2025

Andrasana anio 20 mey 2025 etsy amin’ny Antenimierampirenena ny Minisitra miisa 3

Card image cap
20-mai-2025

eto ny mpandraharaha any ivelany»

Card image cap
20-mai-2025

Manoloana ny resaka aely ao amin'ny kaominin’i Talata Volonondry mikasika ny

Card image cap