airtel

Politique

25-juil-2022

Politique

Mpitondra tsy mahay mandray lesona Atosiky hidina an-dalambe ve ny olona ?

Sample post image

Vao mangiran-dratsy dia efa rakotra mpitandro filaminana zavon-tany hary fitaovam-piadiana ny teny amin’ny Magro Behoririka sy ny manodinana an’Analakely, ny Kianjan’Ambohijatovo, ny Garazin’Analakely,… ny sabotsy 23 jolay 2022 teo.

25-juil-2022

Karazan’ny nifanipaka ny fanambaran’ny Prefen’Antananarivo Jeneraly Ravelonarivo Angelo Christian momba ny hetsika nokasain’ny mpanohitra. Ny zoma teo, “… Ho hita eo izay fihetsiky ry zareo, fa raha ohatra ka manohintohina ny filaminam-bahoaka dia tsy maintsy handray fepetra izahay,... Raha ohatra ka maneho hevitra ao dia navela hatramin’izao, raha ao izy mijanona fotsiny ao dia tsy hisy haninona azy, fa raha mieritreritra handeha hidina an-dalambe dia zavatra hafa”, hoy io manamboninahitra io. Ny sabotsy maraina teo kosa, nanitrikitrika ny Prefe fa tsy nahazoana alalana ny hetsika. “Zatra fotsiny ry zareo hoe: nomena alalana tamin’ny fankalazana ny faha-20 taonan’ny TIM (…), ny hetsika rehetra mety hanakorontana ny filaminana dia tsy maintsy rarana. Tahaka an’ireny any amin’ny tany miady ireny indray Antananarivo ny sabotsy teo. Nahetsika ny olona sy ny fitaovana rehetra azo nampiasaina nentina nanakana ny famoriam-bahoaka nataon’ny mpanohitra ao anatin’ny Vondrona RMDM. Nosakanana tsy hiditra tao amin’ny Magro, ka nipetraka nitorevaka teo amin’ny arabe ireo mpitarika sy ny vahoaka, noravaina ny fitangoronana, ary niafara tamin’ny fisamborana tampoka ny mpitarika, natao tahaka an’ireny nisambotra jiolahy ireny ny Sekretera Jeneralin’ny TIM Atoa Rina Randriamasinoro sy ny Mpandrindra nasionalin’io Antoko io Atoa Jean Claude Rakotonirina ny misandratr’andro. Ny mpitondra tenin’ny RMDM Edouard Tsarahame no nifandroritan’ny mpitandro filaminana voalohany, saingy voatazon’ireo namany. Ny Lehiben’ny CIRGN Analamanga Kolonely Randrianarijaona Anicet no nitarika nyEmmo-reg, nanao ny fandrarana sy ny fisamborana ny sabotsy teo. “Nisy ny famoriam-bahoaka nokasaina hatao, tsy nahazoana alalana, maro no miteny fa nahazo alalana, fa ny tena marina tsy nahazo, nisy ny taratasy nomen’ny prefe milaza fa tsy nahazo, tsy nisy fangatahana,…. Maro ny fanentanana sy fihantsiana hisian’ny korontana. Isan’ny nitarika an’ireo olona ireo ireny nosamborina ireny,…”, hoy ity manamboninahitra ity. Tsy nanaiky hiala kosa ireo olona, niara-nipetraka nitorevaka ireo olona, nitaky ny famoahana an’ireo mpitarika, izay nentina teny amin’ny Sampana fikarohana momba ny heloka bevava Fiadanana. Tany amin’ny tamin’ny 3ora tolakandro no nanome toromarika azy ireo hody aloha ny Depiote Fetra Ralambozafimbololona sy Filoha Lefitry ny RMDM Alain Andriamiseza ho setrin’ny ho famoahana ireo nosamborina satria izay no notakiana tamin’ny Prefe. Mbola nisy ny nihaodihaody teny an-toerana tany ho any amin’ny tamin’ny 4 ora hariva mahery.
ATOSIKA HO ENY AN-DALAMBE NY MPANOHITRA ?
Rehefa zohiana, tsy resaka fanonganam-panjakana na fanakorontanana no natahoran’ny Fanjakana ny sabotsy lasa teo, fa ny fahitana sary ara-politika hoe: io fa mahazaka vahoaka sesehena ny eo anivon’ny fanoherana, hisy sary hiseho fa betsaka ny olona efa leo sy tofoka tanteraka amin’izao fitondrana Rajoelina izao. Raha hifehy ny vahoaka tsy hikorontana izany, mora kokoa ho an’ny mpitandro ny filaminana ny mifehy ny vahoaka ao anaty faritra mifefy tsy hivoaka na tsy hanao fanohintohinana ny filaminam-bahoaka. Tsy efa ny Fanjakana mihitsy ve izany no manosika ny mpanohitra ho eny an-dalambe?
Toky R

 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Miala any sahady ny lalao maloto ho an’ny fifidianana Solombavambahoaka tanterahina ao anatin’ny distrikan’Avaradrano.

Card image cap
22-avril-2024

Etsy amin’ny La Rotonde Besarety amin’ity tolakandro ity no hifamotoana ireo mpahailalàna,

Card image cap
22-avril-2024

Nafana ny fihetsiketsehana nataon’ny mpitondra notarihin’ny Filoham-pirenena tany

Card image cap
22-avril-2024

Nidina ifotony teny Talatan’i Volonondry sy Ambolo ny kandidan’ny Kolekitifa an’ny

Card image cap