airtel

Politique

22-mai-2023

Politique

Na ho tetezamita, na ho fifidianana Mila teny ierana, efa matahotra vahoaka ny fitondrana

Sample post image

Mbola adihevitra eto amin’ny firenena amin’izao volana vitsy mialohan’ny tokony hanatanterahana fifidianana izao ny hoe :

22-mai-2023

inona no tokony hatao eo anatrehan’ny toe-draharaham-pirenena : politika, toekarena, sosialy. Raha hanao fifidianana dia ahoana ? Raha hiditra tetezamita dia manakory ? Inona no tena tiantsika atao ? Inona no tokony hatao ? Inona no tanjona ? Mifamahofaho tanteraka ny toe-draharaham-pirenena, mipoipoitra avokoa ny fanehoan-kevitra sy fanambarana politika samihafa, samy milaza ho tsy mila tetezamita ny mpitondra sy ny mpanohitra kanefa toa manjavozavo ny fitsipi-dalao. Inona marina izany no làlana tokony hitondrana an’I Madagasikara ?

DR JULES ANDRIAMAHOLISON:
“MILA GOVERNEMANTAN’NY FANORENANA IFOTONY TARIHIN’NY TEKNISIANINA”
Ho an’ny ACS (Ny Amicale des anciens conseillers supérieurs de la Transition et sénateurs de Madagascar) tarihin-dry Dr Jules Andriamaholson dia efa kely ilay fotoana tokony hanaovana ny fifidianana, kanefa tokony hatsaraina ny lalàm-pifidianana. Samy tsy hanaiky raha amin’izao endriny izao, ka mila apetraka ao anatin’izany ny fanekena fa hanaiky ny voka-pifidianana ny rehetra. Mila amboarina ny Lalàmpanorenana, lalàm-pifidianana, lalàna mifehy ny antoko politika. Tsy tetezamita fa mety zanaka anabavina tetezamita no mety ho azo ilazana azy, tsy fizarana seza no atao, fa fanorenana ifotony, ary ao anatin’izao fitantanan’ny Filoha ankehitriny izao no hametrahana azy. Halamina ny zava-drehetra ka governemantan’ny fanorenana ifotony misy mpikambana 15 no apetraka. Olona tsy avy amin’ny antoko politika teknisianina. Ao anatin’ny fikaonandoham-pirenena no hitondrana izany, ary eo no hananganana ny governemanta. Fifidianana miainga avy any amin’ny fokontany, kaominina, distrika, faritra no tokony hatao mialoha, ka any amin’ny oktobra 2024 no hanatanterahana fifidianana ny Filoham-pirenena, raha ny vinavinan’izy ireo. Ao anatin’izany vanim-potoana izany no handaminana ny toekarena satria Hanjakan’ny vahiny ny toekarena, ny 60% dia eo am-pelatanany, mila jerena lalina ny fampianarana,…
IGNACE RANDRIAMAMIZAFY:
“REHEFA ALOHAN’NY VAHOAKA IO MIALA FOANA”
« Sarotra ny hisian’ny tetezamita, tsy hisy fitondrana voafidy hanaiky fifanarahana sy tetezamita fahatany izany, raha tsy misy ny fifanonganana. Ny tetezamita rahateo dia miala amin’ny rafitra iray miditra amin’ny rafitra vaovao toy ny fiovana Repoblika. Tokana ny làlana makany amin’ny tetezamita ho an’izay mieritreritra an’izany, dia ny fanonganana ny fitondrana misy sy ny fisian’ny rà mandriaka sy olona maty. Rehefa tonga amin’izay, fifanarahana sisa ataon’ny mpanohitra dia vita ny tetezamita, ary ho an’ny fitondrana dia efa naman’ny resy vao misy faty olona. Ny lalàna azo ahitsy foana, ny fantatro dia manao fifidianana izany no izy, ny resaka hala-bato eto Madagasikara henjana, fa rehefa alohan’ny vahoaka io miala any foana ».

CONSTANT RAVELOSON :
«AFAKA MANOVA TSY MILA TETEZAMITA SY FANDRAVANA RAFITRA»
« Raha hiresaka fifidianana dia vao mainka loza noho ny tamin’ny 2018 ity. Ankinina amin’ny CENI ny ain-dehiben’ny fifidianana kanefa ilay CENI mihitsy no modraka na ny lalàna mifehy azy na ny olona napetraka ao, na ny fomba fiasany, tsy atokisana, hoy kosa i Constant Raveloson. Efa tamin’ny 2018 no fantatra fa hanao fifidianana, kanefa hatramin’izao na ny vola aza mbola tsy vory, Raha izaho aloha, hoy izy dia amboary tanteraka amin’ny teny ierana ny CENI, ny lalàna mifehy azy sy ny fomba fiasany,... Vokatr’io lalàna mifehy azy ankehitriny io dia fitaovan’ny any an-dapa ny CENI na manaiky izy na tsy manaiky. Aleo hazava! Vitan’io fitondrana io izany raha tena hanao izy, tsy voatery akory mandrava ny rafitra misy eo amin’ny fitondrana, fa olona tena hanao azy kosa. Ny hoe: hanao tetezamita dia avelao any, fa ny zavatra tokony hatao momba ny lalàm-pifidianana no mila jerena. Mbola ampy ny fotoana hatramin’izao raha tena hanao, hoy hatrany i Constant Raveloson ary manana ny fahafaha-manao izany arak’olona sy ara-bola ny Fanjakana. Ny làlan’ny FFKM dia any amin’ny vahoaka sy ny Fiangonana no tiany hitondra fanovana, ity dia avy any amin’ny fitondrana ka hanao sa tsy hanao sa mody mitarazodrazoka eo dia ho tonga any amin’ny tetezamita ny farany? Ny tamin’ny 2018, vao eo an-katoky ny fifidianana dia efa nisy fampidirana fitaovam-piadiana, vao aty amin’ny 2023, vao ankatoky ny fifidianana dia efa mahatsapa angamba ilay mpitondra fa tsy maintsy mampiasa fitaovam-piadiana ka dia iny nampidirana tetsy amin’ny 13 may ny basy aman-tafondro tamin’ny 13 may 2023 teo. Miova sy mivoatra anefa ny tantara, tsy ny vahoaka rahonana basy no mahafinaritra fa ny fahatsapan’ny mpitondra fa basy aman-tafondro vao mahatohitra an’ireo. Raha Filohan’ny Repoblika ianao ; hoy i Constant Raveloson dia anao ny safidy hoe: Filoha nampanao fifidianana madio sy azo antoka sa Filoha nidaroka vahoaka?
Nanangona sy nandrindra: Toky R
 

Dans la même rubrique

21-juin-2024

vita amin’ny takelaby mifono varahina ary mikombona vozony izay mirefy 7,62x30mm ho an’ny Kalacknikov ny Ozinina Miaramila

Card image cap
21-juin-2024

Nilamina tamin’ny ankampobeny ny fiatrehana fifidianana tamina toerana maro teto Madagasikara,

Card image cap
21-juin-2024

Tsy misy zavatra tsy azo tanterahana anaty teny ifampiherana, hoy ny antoko politika Fiombonana.

Card image cap
21-juin-2024

Miditra an-tsehatra an-tsehatra ny Firenena Milambana manoloana ny toe-draharaha eto Madagasikara, indrindra taorian’ny fifidianana.

Card image cap
21-juin-2024

Efa hitan’ny sehatra iraisampirenena ny tsy fahatomombanan’ny zotram-pifidianana teto Madagasikara,

Card image cap
20-juin-2024

Fantatrareo fa ny vondrona politika ‘Lay FAR, izay ahitana ny antoko politika Les Phares,

Card image cap