airtel

Politique

12-sept-2023

Na nivoaka aza ny laharan’ny kandida

Mampiaka-peo sy mitaky fitoviana lenta ny mpifaninana

Sample post image

Na eo aza ny fahavonan’ny kandida, mbola mitoetra ny ahiahy politika.

12-sept-2023

Isan’ny notsipihin’Atoa Patrick Raharimanana solontenan’ny Kandidan’ny FTT Tahina Razafinjoelina teny amin’ny CENI ohatra omaly ny sakantsakana sy tsy fampitoviana tantana ny kandida. Anisan’izany ny fanamorana ny Fampidirana angidimby na “hélicoptère”, izay tsy tokony hitsabahan'ny Fiadidiana ny Rapoblika, izay fantatra fa ny mpiara-miasa rehetra ao dia notendren'ny iray izay kandida, ary teo imason’ny filoha teo aloha mihitsy no nanaovany izany. Tahaka izany ihany koa ny famaritana ny fepetra itovizana amin'ny “pré-campagne” izay tsy misy lalàna mazava, ka samy afaka hamory vahoaka fa tsy ny sasany mahazo manao, ny sasany vokisana grenady lakrimozenina; ny fahafahan'ny kandida rehetra hiteny sy handray anjara malalaka ao amin'ny haino aman-jerim-panjakana TVM sy RNM. Fampiasana ireo fotodrafitrasa famoriam-bahoaka, toa ny stade Barea, Mahamasina, Atsonjombe izay mbola miankina daholo amin'ny Fiadidiana ny Repoblika. Misy ihany koa ireo kandida sy solontenana kandida hafa nanamafy ny endrika fitanilana sy tsy fanarahan-dalàna, toy ny Solontenan’ny HVM Atoa Alain Désiré Rasambany izay naneho momba ny fanapahana nitsipahana ny fitoriana nataon’ireo kandida maromaro sy ny famelana ny filoha teo aloha Andry Rajoelina izay mizaka ny zom-pirenena vahiny ka nahavery ny maha Malagasy, ka noraisia ny fanontaniana,… Hiteraka filaminana ve ny fanapahana ho antsika mahakasika ny zotram-pifidianana eto? Raha tiana hitovy tantana sy hitovy zo ny kandida rehetra dia takianay ny hanafoanana ilay naoty navoakan’ny Minisiteran’ny Atitany izay mandrara ny fivoriana ankalamanjana na antoko politika na Fikambanana na olon-tsotra, hoy izy. Ny kandida Andry Raobelina ihany kosa naneho, fa tsy tomombana ny raharaham-pifidianana, ary isan’ny naneho fa tsy tokony hisy ny mizana tsindrian’ila toy ny hoe: na samy mampiasa na samy mampiasa angidim-by. Efa nisy aza, hoy izy, ny soso-kevitra hoe: aleo ary misintona ny firotsahan-kofidiana isika kandida ireo dia avela ataony irery, saingy mety hisy kandida hafa tsy hanao izany. Tonga hatramin’ny hoe: andao tsy hanatrika ny antsapaka, saingy hataony foana io, ka ny hany isan’ny himasoana amin’izao dia ny fanentanana ny olom-pirenena havitrika handray anjara amin’ny fifidianana. Ampahany ihany ireo, sady miroso any amin’ny fifidianana izany isika, fa mbola mitoetra ihany koa ny ahiahy, ny fitakiana fampitoviana lenta, fanajana lalàna,… Mila manaraka ny raharaham-pirenena ny rehetra, mila mandray andraikitra, ka hijery vina, fa tsy ho resin’ny fividianana vahoaka izay vidian-dafo!
Toky R/J Mirija

 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

Voaporofo fa tsy afaka hahavaha olana eto Madagasikara ny fitondràna amin’izao fotoana izao,

Card image cap
30-mai-2025

Ho lasa zanatany israelianina indray izany i Madagasikara raha io fanomezana tany

Card image cap
30-mai-2025

Namoaka ny fanambarana mivaivay faninefany i Kolonely Patrick Rakotomamonjy,

Card image cap
30-mai-2025

Taorian’ireo kabary nifamaliana toy ny resaka saina sy hozatra, pelaka sy tsy pelaka,

Card image cap
28-mai-2025

hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra

Card image cap
28-mai-2025

Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,

Card image cap