airtel

Politique

03-mars-2023

Politique

Naivo Raholdina “Ilay mpanolontsain’ny Filoha no tokony hiala”

Sample post image

Ilay mpanolontsain’ny filoham-pirenena niteny hoe tokony hametra-pialana ny filohan’ny antenimieram-pirenena angamba no tokony hametra-pialana tsy ho mpanolontsain’ny filoham-pirenena intsony,

03-mars-2023

hoy ny depiote, Naivo Raholdina. Tadidio, hoy izy, fa lany 100% tao amin’ny antenimieram-pirenena ny filohan’ny antenimieram-pirenena, Christine Razanamahasoa. Na ny depiote mpanohitra aza nifidy azy. Ilay mpanolontsaina io no tsy lany tamin’ny fifidianana solombavambahoaka. Ilay mamaky ady amin’ny depiote toy ireny ilay manimba sary. Aza adinoina fa ny depiote afaka manao fitsipaham-pitokisana, “motion de censure” na “motion d’empêchement”. Nitolona tamin’ny 2009 I ramatoa Christine Razanamahasoa. Matoa izy niteny an’ireny misy antony. Amiko ireny fanambaran’ny mpanolontsaina manokan’ny filohan’ny repoblika ireny dia fampiadiana ny antenimieram-pirenena sy ny fiadidiana ny repoblika. Miray hina foana ny depiote. Averiko ihany fa antony 2 no nanaovako sonia iny “motion de censure” iny. Hitako hoe tsy mendrika ny minisitry ny fitsarana sy minisitry ny mponina. Na mbola ho ataon’ny filoham-pirenena minisitra rahampitso aza anefa ny minisitry ny mponina dia mbola ho tohanako ny filoham-pirenena saingy tsy midika izany fa tsy ho tsikeraiko ilay praiminisitra rehefa hitako hoe tsy mety ny ataony. Misy mandainga ireny depiote milaza fa nangalarina ireny ny soniany. Tadidio fa manome baiko ny filoham-pirenena fa misy minisitra tsy manaraka ny baikony. Sarotra be izany handrava birao maharitra izany. Ataon’ny mpanolontsaina manokan’ny filoham-pirenena ahoana ny handrava an’ireo, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija

 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

Voaporofo fa tsy afaka hahavaha olana eto Madagasikara ny fitondràna amin’izao fotoana izao,

Card image cap
30-mai-2025

Ho lasa zanatany israelianina indray izany i Madagasikara raha io fanomezana tany

Card image cap
30-mai-2025

Namoaka ny fanambarana mivaivay faninefany i Kolonely Patrick Rakotomamonjy,

Card image cap
30-mai-2025

Taorian’ireo kabary nifamaliana toy ny resaka saina sy hozatra, pelaka sy tsy pelaka,

Card image cap
28-mai-2025

hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra

Card image cap
28-mai-2025

Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,

Card image cap