airtel

Politique

19-oct-2022

Politique

Naivo Raholdina “Tokony hifantoka amin’ny filan’ny vahoaka ny tetibola 2023”

Sample post image

Isany volavolan-dalàna goavana ho laniana ny mahakasika ny tetibolam-panjakana 2023 (LFI 2023), hoy ny depiote Naivo Raholdina,

19-oct-2022

nandritry ny fanokafana fivoriana ara-potoanan’ny antenimieram-pirenena teny Tsimbazaza omaly. Tokony hifantoka amin'ny filan'ny vahoaka, hoy ity filohan’ny vaomieran’ny fananan-tany eny anivon’ny antenimieram-pirenena ity izany. Tokony dinihina, hoy izy, ireo fitakiana samihafa toy ny an'ny mpiraki-draharaha sy MESUPRES raha mitombina ny fitakiana. Ny an'ny vaomiera izay tarihiny dia ny volavolan-dalana mahakasika ny tanin'ny voanjo no isany ho ampandaniany. Votoatin'io volavolan-dalana io ny fanomezana ny tanin'ny “voanjo” ho an'ireo nanajary mihoatra ny 5 taona. Vokatra mivaingana tamin’ny asan'ny vaomiera izay notarihiny moa ny fandresena amin'ny mpandova tamin'ny raharaha Antanandrano mampifanandrina azy ireo sy ny Telma. Tany amin’ny fampiakarana didy na "appel" no nahazoan’ny mpandova io fandresena io. Hijery akaiky ireo fitarainan'ny vahoaka miantefa mivantana aminy ny vaomiera, hoy hatrany ity filohan’ny vaomieran’ny fananan-tany eo anivon’ny antenimieram-pirenena ity.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

Voaporofo fa tsy afaka hahavaha olana eto Madagasikara ny fitondràna amin’izao fotoana izao,

Card image cap
30-mai-2025

Ho lasa zanatany israelianina indray izany i Madagasikara raha io fanomezana tany

Card image cap
30-mai-2025

Namoaka ny fanambarana mivaivay faninefany i Kolonely Patrick Rakotomamonjy,

Card image cap
30-mai-2025

Taorian’ireo kabary nifamaliana toy ny resaka saina sy hozatra, pelaka sy tsy pelaka,

Card image cap
28-mai-2025

hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra

Card image cap
28-mai-2025

Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,

Card image cap