tototra, ny teny mantsy toy ny salaka ka ianao miteny ihany no afatony”, hoy Atoa Rivo Rakotovao tao amin’ny tambajotran-tserasera. Notanisainy ireo fampanantenana maro nataon’Atoa Rajoelina ka nametrahany fanontaniana hoe: Aiza ny: Trano mora 50 000 isa? Tramway ? Îles Éparses miverina amin'ny Malagasy alohan'ny 26 jona 2019? Ambatondrazaka hatao mitovy amin’ny Paris (tena manabitika olona). Tahaka izany ihany ny famoronana sy fampananana asa isam-paritra, ny vidin'ny lavanila hatao avo telo heny, ozinina mpanao etanôla, CVO,... Drafi-pampandrosoana sy fanarenana ny toekarena mihiba (négatif) daholo ny tondrorefy na ny “indicateurs” rehetra, JIRAMA, AIRMAD SECREN, APMF, ACM ADEMA, GASCAR,... “Tsy misy tompoko ny làlana vita herintaona (io akory tsy kianja fampiandiana akoho !!!) fa ezaka mitohy ny fananganana fotodrafitrasa hitondrana fampandrosoana maharitra tsy mitanila, fa tsy petatoko sy tampi-maso fotsiny, hoy hatrany I Rivo Rakotovao. “Ny mametraka vatofehizoro tsy manao ny asa no mpandainga, hoy ianao, dia ianareo izany no “Champion”. Jamban'ny fankahalana ve ianareo, dia voatery manenjika sy manaratsy ary mandainga sa tsy matoky ny zava-bitanareo? Tsy aleo ve manetry tena fa mandalo ny zava- drehetra”, hoy Atoa Rivo Rakotovao tsy nihambahamba. Niantefa manokana tamin’ny Praiminisitra ihany koa Ato Rivo Rakatovao nampahatsiahy ny voalaza fa resaka sy fifanomezan-toky nataon’izy ireo, saingy tsy tena nohazavaony tamin’ny antsipirihany: “Andriamatoa PM Ntsay mitamberina, mipody ato an-tsaiko ny toky nataonao tamin'ny Filoha Rajaonarimampianina Jona 2018! Isika telo miralahy no teo. Ny Marina tsy mba maty. Efa mahazo honon-draha ny vahoaka Malagasy” hoy i Rivo Rakotovao. Manomboka mafimafy ny valin-kafatra politika eo anatrehan’ny fiteny sy fihetsika toa manambany sy miharo fihantsiana ataon’ny Fanjakana Rajoelina. Matetika toa mitady ho latsaka be any amin’ny zavatra mireferefa no hitondran’ny mpitondra azy.
Toky R
Fitakiana io ary zon’ny rehetra ny midina an-dalambe, tena zo izany ary ny fianakaviambe iraisam-pirenena izay tsy
Mizara roa ny fanaovana politika, ka misy ny mitaky ny hanajana ny fiandrianam-pirenena sy ny fanjakana tan-dalàna
Ho mafy ity tolona ity, hoy ny mpitarika ny Hetsika fotsy, Hary Razafindrazaka! Be loatra, hoy izy,
Namoaka fanambarana manamafy ny hisian’ny fitarihana vahoaka eny amin’ny Kianjan’ny 13 may anio
Anio ny fotoana voatondro hisian’ny fidinana an-dalambe eny amin’ny Kianjan’ny 13 may
Araka ny efa nampozina sy efa mahazatra, namoaka fanambarana ny OMC (Organe Mixte de Conception)