dia tany Fenoarivo Atsinanana indray ity olom-boafidy ity sy ny ekipany no nantanteraka izany ny sabotsy 11 martsa teo. Notsikafonin’ity depiote heverina ho kandida Filoham-pirenena ity ny tsy fahombiazam-pitantana miseho ankehitriny. Nambarany fa famotehana sy fampahantrana tanteraka ity firenena ity ny fibodoana ny fahefana, fibodoana ny tetibolam-panjakana hotantanin’olona iray na roa. “Amin’ny maha solombavambahoaka ahy no ilazako fa voahosihosy ny demokrasia na ara-politika na ara-toekarena. Izany indrindra no mahatonga izao fahasahiranana mbola tsy nisy tao anatin’ny 20 taona”, hoy izy. Nampahantraina ny seha-pamokarana rehetra (lavanila, jirofo, letchi…) noho ny fanaovan’ny olom-bitsy ampihimamba amin’ireo vokatra fanondrana ; simba tanteraka ny làlana ; manjaka ny tsy fandriampahalemana ; mikorosy fahana ny fanabeazana sy ny fahasalamam-bahoaka ; manjaka ny kolikoly amin’ny sehatry ny fananan-tany, ny fifamoivozana, ny jono, ny fitsarana…, hoy hatrany I Siteny Randrianasoloniaiko.. Ara-toekarena, nambarany fa ny olom-boafidy rehetra any SAVA nanasonia sy nangataka ny tsy hifehezana ny lavanila, saingy tsy noraharahiana. Olon-tokana ao anatin’ny fitondrana any Antananarivo no mifehy ny lavanila, ary tsy nohenoina ireo solombavambahoaka. “Tsy mety izany, ka izany no hijoroanay. Ambarako ho fanta-poko ho ren’ny Fitondrana, ataovy malalaka ny fiotazana sy ny fanondranana ny lavanila”, hoy I Siteny Randrianasoloniaiko. Nahitsy ihany koa izy nilaza fa tsy misy intsony na làlana 1000km aza tsy potika, raha toa ka tany amin’ny 32000km ny làlana vita tany aloha sy azo nalefa niainga tany amin’ny 1973. Nilaza ny marary azy rehetra ny vahoaka. “Tsy misy ny fitsinjaram-pahefana tena izy, tsy miaina anatin’izany ny firenena, izany no mahatonga fahoriana satria hatramin’ny toekarena aza fehezina any ambony any. Tena tandindomin-doza ny firaisan-kinam-pirenena sy ny fihavanana Malagasy”, hoy hatrany ny fanehoan-kevitra nivaivay. Manoloana ireo toe-javatra ireo dia maro tamin’ireo nandray fitenenana ny nangataka ny firotsahan’i Siteny Randrianasoloniaiko amin’ny fifidianana Filoham-pirenena. Nilaza anefa ny tenany, fa tsy mbola fotoana ilazana ny haha kandida azy izao, fa mbola mihaino ny vahoaka.
Nanotrona an’i Siteny Randriamasoloniaiko tany Fenoarivo Atsinanana moa ny Filoha Lefitry ny Antenimieram-pirenena Jean Jacques Rabenirina, ny depioten’i Fenerive-Est Mohamad Ahmad, ny depioten’Analalava Djaosera Irenée ary ny depioten’i Vohémar Edizard.
Toky R
Voaporofo fa tsy afaka hahavaha olana eto Madagasikara ny fitondràna amin’izao fotoana izao,
Ho lasa zanatany israelianina indray izany i Madagasikara raha io fanomezana tany
Namoaka ny fanambarana mivaivay faninefany i Kolonely Patrick Rakotomamonjy,
Taorian’ireo kabary nifamaliana toy ny resaka saina sy hozatra, pelaka sy tsy pelaka,
hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra
Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,