airtel

Politique

30-août-2023

Nampiaka-peo ny filohan’ny HCC

Aoka tsy ny fampitarazohana ny dosie no hiteraka korontana eto!

Sample post image

Herinandro androany no nanomboka ny fandraisan’ny HCC na Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenena ny

30-août-2023

dosien’ireo kandida filoham-pirenena izay nanomboka 23 aogositra hatramin’ny 06 septambra. Mbola kandida roa hatrany no nandrotsaka taratasy firotsahan-kofidiana dia Atoa Marc Ravalomanana sy Rtoa Annick Ratsiraka. Nipoitra sy nanao fanambarana ny Filohan’ny HCC Atoa Florent Rakotoarisoa omaly 29 aogositra, noho ny toe-javatra samihafa miseho. “Manentana ireo sampan-draharaham-panjakana mba tsy hampivezivezy ireo kandida satria ohatran’ny maheno feo ihany izahay fa tsy ao hono ny sefo, miandry baiko, ka ny baiko dia efa omen’ny lalàna hoe: ireto ny zavatra ilain’ny kandida izay misy 15 ireo taratasy,”, hoy io Filohan’ny HCC io, izay naneho fa tsy tokony ho avy amin’ny Fanjakana no ilazan’ny kandida fa misy dosie tsy feno. Nampitandrina mihitsy fa handraisana fepetra ireo ananana porofo fa mampivezivezy ireo kandida satria tsy azo ekena ny fitavozavozana mety hiteraka korontana eto amin’ny firenena, hoy io Filohana andrim-panjakana io. Na izany aza, tena fahefan’ny HCC ve io ary inona izany no azony atao? Afaka hibaiko ny any amin’ny Minisiteran’ny Atitany na ny any amin’ny Sampan-draharahan’ny hetra na koa ny Fitsarana izay mety misy mahazo toromarika politika hoenti-manasarotra ny dosien’ny kandida sasany ve? Anisan’ny nahazoana fanamarihana, hoy ny HCC, ny fangalana ny taratasy momba ny hetra, ny fanamarinam-ponenana ary ny “casier judiciaire”. Ho an’ny taratasy fanamarinana ny fizakana ny zom-pirenena malagasy dia anjaran’ny Fitsarana ny famoahana izany, saingy tsy voatery hanome izany ny mpitsara. “Miankina amin’ny voalazan’ny andininy faha 87 sy 88 ary 89 amin’ny “Code de nationalité” no ahazoan’ny tsirairay izany. Raha tsy manome izany kosa ny Fitsarana dia ny minisitry ny Fitsarana no omen’ny lalàna alalana handray fanapahan-kevitra farany, araka ny andininy faha 89 amin’ny “code de natonalité”, hoy ny Filohan’ny HCC. Ankoatra izay, “misy kandida tonga teto izao dia nilaza hoe: izao sy izao ny antony tsy nandrotsahanay ilay vola 200 tapitrisa Ar, dia izay dia efa ampy, fa tsy asiana resaka politika hoe: sao dia fitaka! Izany dia mampahalelo, fambolena tsy fahatokisana eto amin’ny firenena. Efa mazava ny tetiandron’ny governemanta, ka aoka tsy hamboly fifampatokisana,... Ny fandoavana an’io araka ny lalàna dia fandraisana anjara amin’ny fanontana ny biletam-pifidianana fa tsy hoe: mandrotsaka an’iny ianao dia tsy maintsy ho voatazona ao anatin’ny lisitra izay avoakanay” hoy ihany koa Atoa Florent Rakotoarisoa. Tsy nitsitsy ihany koa ny tenany nilaza fa aoka tsy hifandrebireby sy hifandany andro, fa tsy fanaovana “pré-campagne” ka hirodorodo hitarika olona sy mpanao gazety kanefa tsy hanatitra dosie akory. .
Tok R
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Notanterahina omaly teny amin'ny Gara Soarano ny lanonana politika fametrahana samboady ireo

Card image cap
24-juil-2024

Mitady minisitra volamena tonga dia tsy kosehina intsony fa avy dia mitondra fahazavana

Card image cap
24-juil-2024

Tsy mahafaty ny mahatsikaiky! na koa hoe «Le ridicule ne tue pas!»,

Card image cap
24-juil-2024

Aiza sy nankaiza ny Filohan’ny Delegasionina manokan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra Atoa Ramanambitana Richard ?

Card image cap
24-juil-2024

Efa mitovy salan’isa amin’ireo tantsaha mpamokatra eto amintsika izany hoe :

Card image cap
24-juil-2024

Mbola vitsy ireo vehivavy misahana andraikitra ambony na miantsehatra eo amin’ny

Card image cap