airtel

Politique

23-juin-2023

Politique

Nandetika mafy an-dRajoelina ny DINIKE “Tsy tokony hiadian-kevitra ny fampiharan-dàlana”

Sample post image

Tandindonin-doza ny Firenena noho Andriamatoa Andry Nirina Rajoelina mizaka zom-pirenena vahiny izay mandika ny andininy faha-45 sy 46 voarakitra ao amin’ny Lalàmpanorenana ary ny andininy faha-42

23-juin-2023

ao amin’ny Fehezan- dalàna momba ny zom-pirenena Malagasy", hoy ny vovonana politika DINIKE (Dina Iombonan-Kevitra), taorian'ny fivoriany ny alarobia 21 jona. Iaraha-mahalala, hoy izy ireo, fa mifamatotra eo anatrehan’ny lalàna ny Filohampirenena sy ireo Andrim-panjakana mijoro tarihin’ny olona notendreny ao amin’ny Governemanta, ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC), ny Antemieran-doholona ary ny Vaomieram-pirenena Mahaleotena misahana ny Fifidianana (CENI), eo anatrehan’ny lalàna velona. Notsiahivin'ny DINIKE ny andininy faha-48 ny Lalàmpanorenana dia misy ny hoe : « Mianiana aho fa hanaja sy hitandrina toy ny anakandriamaso ny Lalàmpanorenana sy ny lalàm-panjakana, hikatsaka hatrany ny soa ho an'ny Vahoaka malagasy tsy ankanavaka » ataon'ny Filoha lany. Ao anatin’ny tany tan-dalàna, ny lalàna iray dia mihatra tsy misy fepetra, raha hisy aza amin’ny fotoana aty aoriana fanovàna na toko, na andininy, na ny lalàna iray manontolo dia tsy afaka hanova n’inon’inona tsy hampanan-kery ny fampiharana azy an-tsakany sy an-davany izany, satria ny fanamboarana atao aty aoriana dia tsy misy fiantraikany mihemotra (Non rétroactivité de la loi), hoy ny fanazavana. Ny tsy filazana tamin’ny HCC ny fizakana zom-pirenena vahiny dia hosoka sy famitahana ny vahoaka Malagasy tamin’ny filatsahana ho fidiana ho filohampirenena tamin’ny taona 2018. Noho izany, ilay andininy faha-42 voalaza etsy ambony, dia mihatra tanteraka tsy iadian-kevitra amin’Andriamatoa Andry Nirina Rajoelina, hoy izy ireo. Manitsakitsaka ny fiandrianam-pirenena sy ny filaminana ary ny fifampatokisana raha tsy mandray andraikitra ireo andrim-panjakana mahefa. Noho ireo antony ireo dia tsy azo itokisana intsony hiantoka ny maha masimandidy ny Firenena eto Madagasikara araka ny Lalàmpanorenana ny Filohampirenena amperin’asa. Miantso ny FFKM handray andraikitra, miaraka amin’ny Foloalindahy, mba hiahy sy hitarika ny fifandaminana ara-politikan’ny hery velona rehetra hitadiavana vahaolana amin’izao toe-draharaha misy eto amin’ny Firenena izao, mba hizorana mankany amin’ny Fampihavanam-pirenena sy ny Fanorenana ny Repoblika noho izany ny DINIKE, araka ny fanambarana nosoniavin'ny Filoha Lefitr'izy ireo misahana ny politika Atoa Constant Raveloson sy ny Filoha lefitra misaha ny iraisam-pirenena Atoa Lova Fanantenana Ralambomahay.
Toky R
 

Dans la même rubrique

22-mai-2025

Naloto tanteraka ny antenimieram-pirenena eny Tsimbazaza

Card image cap
22-mai-2025

Misy antony mazava tsara, hoy ny mpandrindra nasionalin’ny vovonan’adilahy

Card image cap
22-mai-2025

Efa tsy hilamina intsony io ao Toliara io, hoy ny filohan’ny antoko politika Natiora,

Card image cap
22-mai-2025

Avy any atsimo dia hihazo ny tapany avaratry ny Nosy avy hatrany izahay

Card image cap
22-mai-2025

Hita ho somary mba nalefaka na hoe «modéré» kokoa ny kabary nataon’andriamatoa

Card image cap
21-mai-2025

Tsy mitsahatra ny manaraka ny fivoaran’ny toe-draharaham-pirenena misy eto amintsika ny

Card image cap