airtel

Politique

06-févr-2023

Politique

Naneho ny heviny ny AREMA « Be loatra izay 20 taona namotehana ny firenena izay »

Sample post image

Naneho ny heviny mikasika ny toe-javatra eo amin’ny firenena ny Sekretera nasionalin’ny antoko Arema, Annick Ratsiraka, ka nilazany fa « nopotehina ireo fotodrafitr’asa izay napetraky ny fitondran’ny Amiraly Ratsiraka ».

06-févr-2023

Nisy ihany koa ireo namidy sy nosimbaina ». Ny fahitana ireny rehetra ireny, hoy izy, no « manosika ny Arema hijoro sy handray anjara amin’ny fifidianana ho avy manomboka any amin’ny filoham-pirenena ka hatrany amin’ny filoham-pokontany ». Aleo hoy hatrany i Annick Ratsiraka “harenina amin’izay ny firenena fa betsaka loatra ny 20 taona nanimbana azy”. Nandritra ny fambolen-kazo fanaon’ny antoko isan-taoana, isaky ny sabotsy aorian’ny tsingerintaonan’i Céline Ratsiraka, vady navelan’ny Amiraly, teny amin’ny Kaominina Tsiafahy distrika Atsimondrano, ny 04 febroary teo, no nilazany izany nanoloana ireo mpikaroka izay tonga maro tamin’io fotoana io. Notsipihin’ny Sekretera nasionalin’ny Arema fa tsangan-kevitry ny antoko ny fiarovana ny tontolo iainana sy ny fitandroana ny soatoavina repoblikana ka mbola tohizana ary ampitaina amin’ireo mpikatroka ankehitriny. Manomana hetsika goavana ao Antsahamanitra hankalazana ny faha-47 taonan’ny antoko ny Arema ny 19 martsa ho azy izao.
Jean D.
 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

Voaporofo fa tsy afaka hahavaha olana eto Madagasikara ny fitondràna amin’izao fotoana izao,

Card image cap
30-mai-2025

Ho lasa zanatany israelianina indray izany i Madagasikara raha io fanomezana tany

Card image cap
30-mai-2025

Namoaka ny fanambarana mivaivay faninefany i Kolonely Patrick Rakotomamonjy,

Card image cap
30-mai-2025

Taorian’ireo kabary nifamaliana toy ny resaka saina sy hozatra, pelaka sy tsy pelaka,

Card image cap
28-mai-2025

hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra

Card image cap
28-mai-2025

Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,

Card image cap