airtel

Politique

23-févr-2023

Politique

Narson Rafidimanana “Inona no hananantsika ny HCC ?”

Sample post image

Nametraka fitsipaham-pitokisana izahay na “motion de censure”, hoy ny depiote Narson Rafidimanana,

23-févr-2023

satria nahita zavatra tsy mety sy tsy mifanaraka amin’ny lalàna. Maromaro izahay ankehitriny no nifidy hametraka tolo-dalàna mba tsy hiverenan’ny fanaovana tsinontsinona ny fanapahan-kevitray toy ireny intsony, hoy izy. Na tsy ho depiote intsony aza izahay afaka 10 sy 20 taona dia fanajana lalàna tompoko no nanaovanay izao fa tsy fanakanana olona akory. Nametraka “motion de censure” ny solombavambahoaka miisa 105 dia taratasy kely fotsiny ve no nitenenana hoe tsy mety io? Matoa nanao sonia ny depiote miisa 105 dia misy antony. Tsy azo sintomina intsony iny sonia iny. Dingana na “procédure” tokony hifanaraka amin’izay no tokony narahana. Na mandeha ny latsa-bato na hoe inona no antony nahatonga izany? Sao dia misy fitsabahana amin-javatra hafa? Inona no hananantsika ny HCC raha tsy hijery izany zavatra izany? Tsy fanesorana olona no tadiavinay fa fanajana dingana misy eto amin’ny tany sy ny firenena. Afaka 10 taona hisy solombavambahoaka hanao fitsipaham-pitokisana dia ho atao toy izany koa ve? Manao lalàna izahay dia manaja lalàna koa. Manaja ny filohan’ny antenimieram-pirenena sy rafitra misy eto amin’ny firenena koa izahay, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

21-mai-2025

Tsy mitsahatra ny manaraka ny fivoaran’ny toe-draharaham-pirenena misy eto amintsika ny

Card image cap
21-mai-2025

Taorian’ny fitsarana teny amin’ny Filankevi-panjakana na « Conseil d’Etat »

Card image cap
21-mai-2025

Araka ny efa nampoizina, notsipahan’ny Birao maharitry ny Antenimieramierampirenena

Card image cap
20-mai-2025

Andrasana anio 20 mey 2025 etsy amin’ny Antenimierampirenena ny Minisitra miisa 3

Card image cap
20-mai-2025

eto ny mpandraharaha any ivelany»

Card image cap
20-mai-2025

Manoloana ny resaka aely ao amin'ny kaominin’i Talata Volonondry mikasika ny

Card image cap