airtel

Politique

30-juil-2025

Nesorina i Valery Ramonjavelo

Tsy ho afa-bela ny Fitondrana Rajoelina…

Sample post image

Nilatsaka omaly 29 jolay 2025 ny didim-panjakana manala ny Minisitry

30-juil-2025

ny fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro Valery Ramonjavelo. Noraisin’ny Fanjakana Rajoelina tao anatin’ny filankevitry ny Minisitra omaly io didim-panjakana io, mitondra ny laharana faha 2025-812 anovàna ny andininy sasantsasany ao amin’ny didim-panjakana laharana faha 2024-1612 tamin’ny 22 aogositra 2024 nanendrena ny mpikambana ao amin’ny Governemanta. Manafoana ny fanendrena ny Minisitry ny Fitaterana sy ny Famantarana ny Toetr'andro ary manendry ny Praiminisitra Ntsay Christian hisahana vonjimaika io andraikitra io mandra-pahatongan’ny fanendrena vaovao. Ny raharaha fiaramanidina nomena laharam-pamatarana Malagasy « 5R » na CIP (Certificat d’Immatriculation Provisoire) sy ny CNP (Certificat de Navigabilité Provisoire) izay mivadika ho ambana goavana ara-diplaomasia sy ara-jeopolitika ho an’i Madagasikara no antony , kanefa lasa any Iran. Io Firenena io izay sazian’ny Amerikanina sy ny mpiara-dia aminy tsy ho afaka hividy sy hampiasa Boeing, Airbus,… noho i Iran ahiany amin’ny tetikasa nokleary, asa fampihorohoroana, fanitsakitsahana zon’olombelona,… Henjana ity raharaha ity izay mametraka an’i Madagasikara ho Firenena ahiahiana, mamatotra amina heloka iraisam-pirenena,… Mety hiteraka fiantraikany amin’ny sehatra diplomatika ambony ho an’i Madagasikara satria mbola mitohy ny resaka fifampiraharahana tamin’i Washington momba ny fanavaozana AGOA sy ny sazy ara-barotra ,... Eo amin’ny tontolon’ny fitaterana an’habakabaka, dia mety ho tafiditra anaty lisitra mainty amin’ny endriny samihafa i Madagasikara : antoka na « sureté », asa fampihorohoroana na « terrorisme »,..

NIEZAKA NANAMARIN-TENA
Nilaza i Valery Ramonjavelo rehefa nanao fanambarana niaraka tamin’ny mpikamban’ny governemanta nahitana ny Minisitry ny filaminam-bahoaka Contrôleur Général de Police Rakotoarimanana Herilala, ny Minisitra delege misahana ny zandarimaria Jeneraly Andry Rakotondrazaka, ny tonia mpampanoa lalàna Rakotoniana Narindra,… ka nilazana fa mahatsiaro ho voafitaka ny Fanjakana Malagasy. Teto izany, dia mbola nisy fifampiarovana tao anaty governemanta, saingy henjana ny raharaha ka tsy maintsy nisy natao sorona. Ny Minisitry ny fitaterana izay mbola niezaka nanamarin-tena nandefa taratasy tamin’ny Tale Jeneraly an’ny ACM Gervais Damasy ny 26 jolay, nangata-panazavana sy nilaza fa tsy nandalo fankatoavana tamin’ny Minisiteran’ny fitaterana ny raharaha, kinanjo nivaly taminy ny hoe : « noho ny baikonao » ! Nosokajiana ho nandika ny fitsipika anatiny tamin’ny fitantanan-draharaham-panjakana i Valery Ramonjavelo izay lazaina fa nandray fanapahan-kevitra manokana mampidi-kizo ny Firenena.

TSY HO AFA-BELA…
Mandeha ny feo fa volabe tsy toko tsy forohana no sandan’ity afera goavana ity ! Sarotra ihany koa anefa ny hino, fa tena fanapahana manokana avy amin’ny Minisitry ny fitaterana io ka tsy naharaka ny fisian’izany mihitsy ny Fitondrana tany an-tampony tarihin’i Andry Rajoelina sy Ntsay. Angidim-by hanaovana propagandy tamin’ny 2023 aza nanahirana noho ny baiko nidina kanefa kandida Malagasy no hampiasa azy ka amin’ny fomba ahoana no hinoana fa aferana fiaramanidina boeing 777 miisa 5 be izao dia hoe : tsy mahalala ny Fanjakana Foibe ? Mifankaiza amin’izao moa ny raharaha Romy Voos Randrianarisoa, izay nosamborin’ny Fanjakana Britanika noho ny kolikoly goavana saingy ny fanafoanana azy tsy ho Tale Kabinetran’ny Filoha no hany zavatra nisongadina, tsy natao na inona na inona rehefa niverina teto mba tsy ilazana fa narovana aza? Olona tena tanan-kavanan’i Andry Rajoelina na i Valery Ramonjavelo izay efa Sekretera Jeneralin’ny Fiadidian’ny Repoblika, na i Romy Voos Randrianarisoa izay Tale Kabinetran’ny Fiadidian’ny Repoblika teo aloha. Ny sehatra vahiny sy iraisam-pirenena hatrany no manatsikafona ireo afera goavana fa ny eto vitavita ho azy. Volamena any anaty biraom-panjakana aza mivadika vy toa narirarira, ka iza intsony no hino izao fitondrana izao ho tsy manao sinema mba hanadiovan-tena? Rehefa tratra amin’ny afera goavana ny olona ambony iray dia nandeha tamin’ny anaran’ny tenany manokana fa rehefa tsy tratra dia kopaka isasahana ? Tena ho afa-bela ve ny Fanjakana Malagasy taorian’ity fanapahan-kevitra heverina fa vono afo na « fusible » manoloana ny ambana goavana iraisam-pirenena ity ? Toa sarotra ka heverina fa izao angamba no tonga amin’ilay hoe : ela nitoratorahana ka nahavoa voamason’angatra ?
Toky R

 

 

 

 

 

 

 

 

 


 

Dans la même rubrique

16-avril-2026

Nilatsaka ny didin'ny Minisitera ny Atitany

Card image cap
16-avril-2026

tao anatin’ny 48 ora...

Card image cap
16-avril-2026

Tsy ho vita ao anatin’ny 5 volana ny

Card image cap