airtel

Politique

12-sept-2023

Politique

Niantso fitoniana ny Filohan’ny CENI

Sample post image

Tokony hitovy lenta ny kandida, avela ny angidimby”

12-sept-2023

Tsy niandry ela, fa omaly ihany dia lasa any Afrika Atsimo hitondra ny lasitry ny bileta tokana, hahafahana manonta izany ny Filohan’ny CENI Dama Andrianarisedo, araka ny kabariny taorian’ny antsapaky ny filaharan’ireo kandida. Ny PNUD no nanampy amin’ny fanontana izany. Miantso ireo kandida hanendry ny solontena hiara-hivory amin'ny fivoriambe rehetra ataon'ny CENI noho izany io Filohany io, ka ny alatsinainy 18 septambra izao dia efa hisy an’izay. Ny 22 septambra kosa, hisy indray ny fihaonana andiany faha-4 hifampidinihana sy ifampizarana amin’ireo mpiantsehatra amin’ny fifidianana, ka lohahevitra maromaro no horesahana raha ny nambaran’ny Filohan’ny CENI: fitondrana valiny sy fanazavana mikasika ny biraom-pifidianana sy ny rejisi-pifidianana , fizotry ny fampielezan-kevitra sy ny ANRCM(Autorité Nationale de Régulation des communications mediatisées) izay mbola tsy tafatsangana ka ny CENI no mandray izany, fikirakirana sy fiarovana ny voka-pifidianana hanehoana ny logiciel na rindram-baiko, hampahafantarana ny resaka “contentieux electoral” hanazavana ny tsy fanarahan-dalana. Fandaharan’asan’ny CENI manaraka ihany koa ny fizarana ny karatry ny mpifidy: hitety tokantrano ny “agents” sy sefom-pokontany. Misy fizarana, fa azo alaina eny amin'ny fokontany, ka ny tanjona dia mba ho voazara mialohan'ny fifidianana. Hisy fampiofanana ireo “conservateurs agrées” manomboka 12 septambra, fanentanana mba hampiakatra ny taham-pandraisana anjara. Nomarihin’ny CENI ny tokony hanendrena ny « trésorier de campagne » ho an’ireo kandida, ary nanentana ny kandida hanentana ny mpifidy, hatao tsotra, milamina, anaty soatoavina, tsy misy fifampihantsiana,… moa ny Filohan’ny CENI. Miantso mba hitandroana toy ny anakandriamaso ny firaisamonim-pirenena, hoy izy.

Momba ny fampidirana angidimby, raha hitanay CENI taratra, eto aho dia miteny, raha mahita taratra izahay CENI fa misy ny tsy fampitoviana lenta ny kandida, ento aho dia miteny fa hampahafantatra izahay ny mpikarakaraka izany fanafarana ny angidimby izany! Ny antony hafa kosa dia tsy miditra ny CENI, fa raha ao anatin’ny ara-dalàna, manaja ny lalàna misy ka tsy mahazo izany angidimby izany, dia mandray andraikitra izahay CENI”, hoy ny Filohan’ny CENI Dama Andrianarisedo. Tena hihaino izany ve ny mpitantana ankehitriny? Inona no fepetra azon’ny CENI raisina raha misy ny bemarenina?
Toky R
 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

Voaporofo fa tsy afaka hahavaha olana eto Madagasikara ny fitondràna amin’izao fotoana izao,

Card image cap
30-mai-2025

Ho lasa zanatany israelianina indray izany i Madagasikara raha io fanomezana tany

Card image cap
30-mai-2025

Namoaka ny fanambarana mivaivay faninefany i Kolonely Patrick Rakotomamonjy,

Card image cap
30-mai-2025

Taorian’ireo kabary nifamaliana toy ny resaka saina sy hozatra, pelaka sy tsy pelaka,

Card image cap
28-mai-2025

hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra

Card image cap
28-mai-2025

Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,

Card image cap