airtel

Politique

03-mars-2023

Politique

Nidoboka am-ponja ny meran’i Vavantenina Takian’ireo olom-boafidy namany ny hijerena azy

Sample post image

Nidoboka am-ponja vonjimaika omaly ny Ben’ny tananan’ny kaominina ambonivohitr’i Vavantenina Rtoa VOLANIMANANA Marie Aurélie sy olona iray mpiara-miasa aminy.

03-mars-2023

Ny fitsarana mahaleo tena miady amin’ny kolikoly na ny PAC no voalaza fa nandray izany fanapahan-kevitra izany taorian’ny nahafantarana fa voasaringotra tamina resaka kolikoly ity olom-boafidy iray ity ka natao fanadihadiana. Resa-bola no tena fototr’izany hoy ny loharanom-baovao azo. Na izany aza mbola hitohy ny fanadihadiana. Tohana avokoa ireo ben'ny tanàna namany rehetra ao amin'ny faritra Analanjirofo raha vantany vao nandre izany omaly. Nihaona sy nitafa tamin’ny mpanao gazety izy ireo ka nambarany fa maneho alahelony sy ny firaisan-kinany amin'ity ben'ny tanàna nogadraina ity izy. Hangatahany araka izany ny hijeren’ny tompon'andraikitra ity Ben’ny tanana ity izay nomarihin’izy ireo fa mba nahavita tsara ny asany ihany. Mbola banga aloha hatramin’ny omaly araka izany ny toeran’ity Ben’ny tanana iray ity.
Nangonin’i Pati Legende : Rtoa VOLANIMANANA Marie Aurélie Ben’ny tananan’i Vavantenina !
 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

Voaporofo fa tsy afaka hahavaha olana eto Madagasikara ny fitondràna amin’izao fotoana izao,

Card image cap
30-mai-2025

Ho lasa zanatany israelianina indray izany i Madagasikara raha io fanomezana tany

Card image cap
30-mai-2025

Namoaka ny fanambarana mivaivay faninefany i Kolonely Patrick Rakotomamonjy,

Card image cap
30-mai-2025

Taorian’ireo kabary nifamaliana toy ny resaka saina sy hozatra, pelaka sy tsy pelaka,

Card image cap
28-mai-2025

hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra

Card image cap
28-mai-2025

Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,

Card image cap