Midika izany fa ny lalàn’ny tolotra sy tinandy no hibaiko ny tsena, ao anatin’ny fanajana ny lalàna mazava ho azy fa tsy misy intsony ilay hoe famerana ny vidin’ny lavanila, io ilay nampifanolana. Hitohy ny fifanakalozana hanatsarana ny fanaraha-maso ny fampiharana izany mba hahazoan’ny tantsaha tombony. Homena fahazoan-dalana avokoa izay vonona hanondrana lavanila rehetra. Hisy ny kaomisionina apetraka anivon’ny minisiteran’ny Indostria sy ny Varotra, ny Fiadidiana ny Repoblika ary ny Fiadidiana ny faritra izay handinika ny fangatahana. Tsy maintsy mahazo valin-teny ao anatin’ny 48 ora amin’ny dingana tsy maintsy arahiny ny mpanao ny fangatahana, ary tsy maintsy mivoaka ao anatin’ny 48 ora aorian’izay ny fahazoan-dalana. Hisy ny fanatsarana sy fanamorana ny dingana lalovana amin’ny fanondranana ny lavanila, izay nampitaraina ny mpisehatra noho ny fitarazohana manimba ny vokatra. Voakasik’izany ny antontan-taratasy sy ny fitiliana ny vokatra. Hojerena koa ny momba ny fangatahan’ny mpandraharaha ny hanalalahana ny lafiny laboratoara fitsirihana ny lavanila. Ireo no anisan’ny fepetra noraisina nandritra ny fifanakalozan-kevitra mivantana tamin’ny mpisehatra anatsarana ny sehatry ny lavanila eto Madagasikara, notontosaina tao Sambava omaly 13 aprily 2023, araka ny tsoa-kevitra nambaran’ny filoham-pirenena Andry Rajoelina, hoy hatrany ny fampitam-baovao voaray.
J. Mirija
Voaporofo fa tsy afaka hahavaha olana eto Madagasikara ny fitondràna amin’izao fotoana izao,
Ho lasa zanatany israelianina indray izany i Madagasikara raha io fanomezana tany
Namoaka ny fanambarana mivaivay faninefany i Kolonely Patrick Rakotomamonjy,
Taorian’ireo kabary nifamaliana toy ny resaka saina sy hozatra, pelaka sy tsy pelaka,
hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra
Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,