airtel

Politique

06-juin-2023

Politique

Ninie Donia Naverina am-ponja taorian’ny fitsidihan-dry Siteny

Sample post image

Tsy niandry ela fa naverina any am-ponja Rtoa Bezara Eliane Virginie na Ninie Donia 48 ora teo taorian’ny

06-juin-2023

fitsidihan’ireo depiote anatin’ny Mihava Tour tarihin’I Siteny Randrianasoloniaiko azy tao Nosy Be ny sabotsy 03 jona lasa teo. Nitsabo tena tany amin’ny hopitaly mitsabo tena sady manohy ny saziny ity mpanjaka vavin’ny Salegy sady mpanao politika ity. Nohelohina ho nananganana tambazon-dahalo miampy heloka maromaro hafa moa izy, ka nohelohina higadra 18 volana sazy mihatra, ka 12 eo ho eo izay no efa vitany. Nitondra teny fankaherezana azy ary nanolotra solon-dranomboankazo ho azy ireo Depiote an’ny Mihava Tour tamin’io sabotsy io, ka tamin’izany no nilazany sy naneoany ny alahelony hoe: “Tsy migadra aho fa nogadraina”. Fifandrifian-javatra ve ny hoe: taorian’ny fitsidihana nataon’ireo depiote mpifanandrina ara-politikan’ny fitondrana no namerenana azy am-ponja indray? Inona no fahadisoany amin’izany raha misy olona maniry ny hitsidika azy izay nahazo alalana matoa afaka nijery azy? Tsy fombana azy manokana fa aiza ho aiza ny resaka zo maha olona raha toa ka ny mety ho fitsidihana nataona mpifanandrina politika no namerenana azy am-ponja tsy afaka ny hisitraka fahafahana mitsabo tena? Mpanakanto maro no efa nanao antso fanairana amin’ny tokony hamelana an’i Ninie Donia saingy tsy mbola mety afa-bela. Ny ampitson’ny fankalazana ny fetin’ny reny ny alahady teo izany, dia renim-pianankaviana roa no indray nahazo fanomezana fisamborana sy famerenana am-ponja dia Rtoa Doris Rakoto Samuel izay napetraka ambany fanaraha-mason’ny Fitsarana sy Rtoa Ninie Donia izay naverina nahiboka any am-ponja. Samy mamofona raharaha politika ny fanenjehana azy ireo, ankatoky ny fankalazana ny tsingerin-taona nahazoana ny fahaleovantena izay niantsoana firaisankiana, fitiavana, fitiavan-tanindrazana no miseho izao, ka tena izao ve ilay teny filamatra nalaina tao amin’ny soratra natao nampiasaina amin’ny politika hoe: ny fitiavana no lehibe indrindra ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

Voaporofo fa tsy afaka hahavaha olana eto Madagasikara ny fitondràna amin’izao fotoana izao,

Card image cap
30-mai-2025

Ho lasa zanatany israelianina indray izany i Madagasikara raha io fanomezana tany

Card image cap
30-mai-2025

Namoaka ny fanambarana mivaivay faninefany i Kolonely Patrick Rakotomamonjy,

Card image cap
30-mai-2025

Taorian’ireo kabary nifamaliana toy ny resaka saina sy hozatra, pelaka sy tsy pelaka,

Card image cap
28-mai-2025

hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra

Card image cap
28-mai-2025

Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,

Card image cap