Tahina Razafinjoelina, Siteny Randrianasoloniaiko, Paraina Auguste, Andry Raobelina, ary Rtoa Massy Goulamaly no niara-nanao fanambarana iombonana omaly, nilaza fa tsy afaka mirotsaka ho kandida ny Filoha am-perin’asa Andry Rajoelina noho ny fizakany ny zom-pirenena vahiny, izay fanitsakitsahana ny fiandrianam-pirenena sy fahadisoana ara-moraly goavana, ary endrika famitaham-bahoaka. “Satria mazava ny voalazan’ny lalàna momba ny fizakana zom-pirenana malagasy dia tsy afaka mirotsaka ho fidiana ho Filoham-pirenena intsony ny Filoha ankehitriny. Tsy vitan'ny hoe fandikäna lalàna fotsiny ihany izany Filoham-pirenena mizaka zom-plrenena vahiny izany, fa efa famitahana vahoaka noho ny fahadisoana ara-moraly sy ami'ny fahamendrehana”, hoy ny fanambarana niombonan’ireo kandida ho Filoham-pirenena ireo omaly. Milaza izy ireo, fa tsy afaka hanatanteraka ny andraikitra takian'ny lalàmpanicrenana hiarovana ny fiandrianam- pirenena sy ny tombotsoa ambonin'ny firenena izao fananana zom-pirenena vahiny izao. Rehefa tonga ny fotoana ilàna izany dia ny an'iza no harovany marina ? Ny an'ny firenena nanjanaka sa ny an'ny Malagasy ? hoy io fanambarana io. Mitaky fahamatorana ara-moraly, tsy maintsy hajaina farafahakeliny izany andraikitry ny Filoham- pirenena izany. Noho izany, manainga ireo tompon'andraikitra rehetra, na olom-boafidy na olom-boatendry, na sivily na miaramila, izay nampindramina fahefana, tsy hiray tsikombakomba amin'ny mety ho fandikan-dalàna ary hanaja tsy misy fepetra ny lalàna velona sy ho saro-piaro amin'ny asany sy ny adidy masina napetraky ny vahoaka aminy. Miantso ihany koa ny Malagasy tsy an-kanavaka hijoro sy hiaro ny fiandrianam-pirenena, hoy hatrany io fanambarana io. Heverina fa mifandraika avy hatrany amin’ilay fanambarana nosakanana teny amin’ny Yandy By Pass tamin’ny herin’ny anio io, izay nahitana ireo antoko sy mpitarika politika samihafa, ka isan’ny nanehoan’Atoa Rivo Rakotovao avy amin’ny HVM hoe: “Rehefa tsy mieritreritra amin’izao isika, fa hoe: izaho kandida, izaho tsy kandida, dia resy isika Malagasy, fa andao aloha tsy hoekena intsony hoe: vazaha no hitondra antsika na iza na iza”. Ny fanambarana tamin’iny dia naneho, fa mbola mitohy amin’ny endrika hafa ny fanjanahan-tany ankehitriny, ka fanaovana tsinontsinona ny rà latsak’ireo razambe ho an’ny fanafahana. Vokany, miteraka fisarahan-kevitra lalina, henatra lehibe ho an’I Madagasikara ny fisian’ny Frantsay mitantana ny firenena amin’izao Repoblika faha-4 izao, niniana tsy nampahafantarina, ka azo sokajiana ho famitahana ny vahoaka manontolo, ka nilazan’ireo tetsy amin’ny By Pass fa tsy handraraka ilo mby an-doha amin’ny tolom-panafahana. “Tsy hanaiky izany Madagasikara hanana filoham-pirenena vazaha izany, tsia androany, tsia anio, ary tsia ho mandrakizay, koa miantso ny Malagasy tsy an-kanavaka hijoro sy hiaro ny fiandrianam-pirenena”, hoy ny fanambarana herinandro lasa izay novakiana olon-tsotra, ary io nisy fanambarana toa mameno izany nataona kandida maro io. Ao anatin’ny herinandro mialohan’ny hifaranan’ny fandraisana ny antontan-taratasy firotsahan-kofidiana amin’ny 06 septambra no miseho izany ka heverina fa hiakatra hatrany ny maripana politika!
Toky R
Mizotra mankany amin’ny fampandaniana an’i Harilala Ramanantsoa ny voka-pifidianana havoakan’ny Tribonaly
Mandeha be ny resaka efa ho andro vitsy izao fa miatrana an-dakazerina avokoa ny foloalindahy.
Miha mafana ny toe-draharaham-pirenena ! Niparitaka omaly ny resaka nifamaofaho na avy amin’ny fanambarana
Azo lazaina ho takon’ny fiarovan-tseza tanteraka izany izao ny fiheverana izay hampandrosoana ny firenena
Mafampana ny toe-draharaha mikasika ny fifidianana ao Toamasina I. Nanamafy fa hijoro
Nafotaka ny fifampitorian’ireo samy kandidà ho ben’ny tanànan’Antananarivo renivohitra noraisina