airtel

Politique

30-mars-2023

Politique

Noho ny baikon’ny Filoha Noadraina ireo nikasi-tànana olona nanao “T-shirt orange”

Sample post image

Raikitra ny fanagadrana fisamborana ireo olona voalaza fa isan’ny tompon’antoka tamin’ilay fanakanana sy

30-mars-2023

fanendehana ny akanjo volomboasary misy ny sarin’ny Filoha Andry Rajoelina na “t-shirt Andry Rajoelina” nandritra ilay hetsika nataon’ny mpisehatra amin’ny lavanila tao Sambava vao andro vitsy lasa izay. Na teo aza ny fandefasana ireo olon’ny governemanta nandamina tany an-toerana, dia toa tsy afa-po ny Filoham-pirenena, raha tarafina tamin’ilay horonam-peony heverina ho tsiambaratelo kanefa nisy nanaparitaka. Horonam-peo, nanome toromarika ireo lehiben’ny mpitandro filaminana ao anatin’ny governemanta mba handraisana fepetra teo anatrehan’ilay tranga. Nosokajiana ho andian’olona vitsy, ary zavatra efa tena voahomana satria mbola vao niala lavitra dia efa nisy naka horonan-tsary. “Mba hampihorohoroana izay olona manohana antsika izany, ary indrindra mba atahoran’ny olona hanao t-shirt fa mba hifamonoan’ny Malagasy ihany koa. Adidintsika, adidinareo ny hoe: ahoana no hanatsaharana an’io? Ny soso-kevitro dia tsotra hoe: satria voakarama ny olona nanao an’io dia miantso fijoroana vavolombelona ny polisy any an-toerana ka izay rehetra olona nanao ireny fihetsika ireny na misy olona manana horonan-tsary izay olona namono an’iny olona iny dia tokony manao filazana (aveu) hoe: nokaramain-dRakoto na Rabe dia tokony hofaizintsika Mr le Minisitre! Izany no zavatra tokony hatao, ary tsy tokony havela handehandeha fotsiny amin’izao ireny izany zavatra ireny”, hoy ny horonam-peon’I Andry Rajoelina. Vokany, nisy ny olona nosamborina, ary miisa 2 no naiditra am-ponja, raha ny vaovao azo avy any an-toerana omaly. Raha ny vaovao voaray avy any an-toerana anefa, nanao fifandaminana hamoaka ireo olona voasambotra ireo, ary nanao taratasy fisitomana ny fitoriana na “plainte” Rtoa R.M. mpampiasa ilay lehilahy tompon’ny Bajaj, fa noho ny tsindry avy amin’ny manampahefana dia tonga amin’izao. Ny tany an-toerana izany efa nifandamina, saingy toa tsy levon’ny vavonin’ny Filoha ka izao no vokany. Misy olomboafidy any Sambava etsy ankilany mampahatsiahy fa tsy tranga vaovao ny toy ireny rehefa tezitra ny olona aty SAVA. Efa niharan’ny toy ireny koa ireo olona nanao akanjo nisy sarin’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana, araka ny nambarany ihany, fa tsy tonga tamina fampidirana am-ponja izany rehefa ny fototry ny olona no novahana. Vao omaly anefa ny Filoha Rajoelina tany Moramanga no niantso firaisan-kiana ho an’ny Malagasy fa tsy hanaiky hozarazaraina. Tena hitondra filaminana ve ny fepetra noraisiny tany SAVA? Hanao ahoana ny hoavy politikany any ?

Toky R

 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Mitohy hatrany ny fitsidihana sekoly eto Fianarantsoa sy ny manodidina, tanterahin'i Docteur Marie Michelle

Card image cap
19-avril-2024

Nolaniana ny didim-panjakana laharana faha 2024-959 manova ny andininy sasany

Card image cap
19-avril-2024

Tontosa omaly alakamisy 18 aprily 2024 tao amin'ny Lapan’ny Antenimierampirenena ny

Card image cap
19-avril-2024

Hita ho mbola niara-nitokan-javatra tamin’ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina,

Card image cap
18-avril-2024

Kandida avy amin’ny antoko AREMA miisa 25 no tsy afaka mandray anajara amin’ny fifidianana ho

Card image cap
18-avril-2024

Nanahirana ny nikarakara ny taratasy filatsahan-kofidiana solombavambahoaka tamin’ity,

Card image cap