airtel

Politique

20-sept-2023

Noraisin’ny masoivohon’I Afrika

Atsimo ny kandida 11 Hiakatra any amin’ny SADC ny raharaha Madagasikara…

Sample post image

Nihaona tamin’ny Ambasadaoron’i Afrika Atsimo, Andriamatoa Sisa Ngombane ireo kandida hilatsaka ho filoham-pirenena

20-sept-2023

miisa 11 ny alatsinainy 18 septambra, taorian’ny fangatahin’ireto farany, hoy ny fampitam-baovao. Maro ireo resaka mahakasika ny toe-java-misy eto amin’ny firenena no navoitr’ireto Vondrona kandida ireto. Nozarain’ireto Vondrona kandida ireto ireo ahiahin’izy ireo mikasika ny voalazan’ny lalam-panorenana manodidina ny famindram-pahefana, indrindra fa ny fampiharana ny voalazan’ny andininy 46, hoy hatrany ny tatitra. Naneho ny tsy fahafaliany izy ireo manoloana ny tsy fisian’ny fangaraharana eo amin’ny zotram-pifidianana izay manimba ny fitokisana amin’ny CENI. Notsindrian’ireto Vondrona kandida ireto moa ny fahavononany hiroso amin’ny fifidianana saingy mitaky ny hizoran’izany araky ny rariny izy ireo ka hamela malalaka ny fivezivezena sy fivoriana. Nilaza kosa ny Ambasadaoro fa hampita any amin’ny foibe ny momba ity fihaonana manan-danja sy maika ity. Nomarihiny fa ny SADC dia manana rafitra maro, toy ny rafitra misahana ny politika, ny fiarovana ary ny fandriampahalemana izay mikatsaka ny hanampy ireo firenena mpikambana indrindra indrindra mandritra ny fotoam-pifidianana. Ny filohan’i Zambia, Andriamatoa Hakainde Hichilema, moa no mitarika izany ka hampitaina aminy ireo ahiahy ireo, hoy hatrany ny fampitam-baovao. Manomboka miakatra eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ny toe-draharahan’I Madagasikara, raha tarafina amin’izao zava-misy izao. Efa nisy ny fanambarana nataon’ny Vondrona Eoropeanina sy firenena maro omaly, io ihany koa ny fihaonana nisy tamin’ireo kandida sy ny masoivoho vahiny samihafa, ary tena midika zavatra maro eo amin’ny tontolo politika sy jeopolitika ity filazan’ny Afrikanina tatsimo ity fa hampita ny raharaha amin’ny SADC, izany hoe: azo heverina ho efa miditra ao anatin’ny dingana ara-pamahana ny olana arakaraka ny antanan-tohatra sy rafitra misy na “principe de subsidiarité” ny toe-draharaha eto Madagasikara.
Toky R
 

Dans la même rubrique

27-mai-2025

Nampidirina ho ala-olana indray ny vanin’andro ririnina, izay mampihena ny

Card image cap
27-mai-2025

ny vahiny fa ny eto potehina…

Card image cap
27-mai-2025

Fa inona marina no tena olana ao amin’ny samy mpitondra ambony ao e ?

Card image cap
27-mai-2025

Mipetraka ho adihevitra eo amin’ny tontolo politika indray ny resaka lalàm-pifidianana,

Card image cap
26-mai-2025

Ho lanin’ny vahoaka malagasy tsianjery ihany no hiafaran’ity kobaka am-bavan’ny filoham-pirenena,

Card image cap
26-mai-2025

Notanterahana ny zoma sy sabotsy 23-24 mey tetsy amin’ny Hotely Carlton Anosy ny hetsika

Card image cap