airtel

Politique

25-août-2023

Nosakanana ny fifamorian’ny mpanohitra

Niray feo fa tsy hanaiky Filoha vazaha intsony

Sample post image

Miha mafana hatrany ny toe-draharaha politika! Nikasa hanao fanambarana niraisana omaly ireo antoko maro eo anivon’ny fanoherana,

25-août-2023

ka nifanao fotoana teny amin’ny Espace Yandy By Pass eny Alasora, saingy efa nihatrana teny an-toerana ny mpitandro ny filaminana, nisy ny andiany efa niditra mialoha tao amin’ity toerana tsy miankina ity ka nanidy azy avy taty ivelany. Tsy afa-niditra noho izany ireo mpanao politika sy ny mpiara-dia aminy, izay saika tazana teny ireo heverina fa ao anatin’ny fanoherana, toy ny TIM izay nahitana ireo lohandohan’ny mpisorona sy olom-boafidy samihafa niaraka tamin’ny mpanohana azy, ny MMM izay tazana teny ihany koa ny lohandohan’ny mpisorona, ny HVM izay ny Mpandrindra Nasionaliny Rivo Rakotovao no nitarika, ny avy amin’ny PSD sy ny Mihava Tour notarihin’I Siteny Randrianasoloniaiko narahin’ireo depiote sasany miara-dia aminy,… Nanao izay fomba hidirana tao sy niantso ireo tao anatiny hamoha izany ihany I Siteny Randrianasoloniaiko fa tsy nahomby. Tsy nanaiky hamaha izany hatramin’ny farany anefa ireo mpitandro filaminana izay nilaza fa izay no baiko, ary vao mainka aza nampitomboina ny isan’ny mpitandro filaminana izay tamin’ny kamio lehibe sy fiara tsy mataho-dàlana 4 teo. Tapaka hatramin’ny fifamoivoizana kosa satria nikisaka teny an’arabe ireo vahoaka, saingy nezahin’ny mpitandro filaminana nalamina haingana. “Nanaja sy nandoa vola isika, ka ry zareo no namoaka antsika aty amin’ny arabe. Tsy resaka hoe: izaho kandida izaho tsy kandida izao tsy maintsy mandresy, fa andao aloha tsy ekena intsony hoe: vazaha no hitondra ity firenena ity na iza na iza, hoy I Rivo Rakotovao nampiaka-peo. Mbola nampiany aza hoe: moramora ianareo fa mafy io vahoaka io fa tsy hoe: baiko baiko ka rahampitso ianareo mankaiza sa ho any an-danitra? Teneno ny lehibenareo hoe: ilay nataon’ny FES tao amin’ny Carlton omaly inona ary nakana fahazoan-dàlana ve? Ilay nataon-dRaholdina teny Analamahitsy inona? Tsy namaky trano izahay ka aza rangitinay olona fa mandehana ianareo mandeha, lasa ianareo no manakorontana, izahay tsy dahalo, ho halan’ny olona eo ianareo”.
TSY HANAIKY NY FIRENENA HOENTIM-BAZAHA
Nisy ihany ny fanambarana izay olon-tsotra no nampamakiana azy, ka navoitra fa mandalo kihon-dàlana satria hiatrika fifidianana Filoham-pirenena. Notsiahivina, fa ny Filohan’ny Repoblika no vovonana iadian’ny lohany amin’ny fitantanana ny firenena, miantoka ny fahaleovantenam-pirenena, miantoka ny maha iray tsy hanombinana ny tanindrazana, mitandro ny fiarovana sy fanajana ny fiandrianam-pirenena na eto na any ivelany, manapaka ny tetika momba ny fiarovam-pirenena amin’ny endriny samihafa: tafika, toekarena, sosialy, lafin-tany,… Midika ho fanokanan-tena tsy hanompo sy tsy hikendry afatsy ny firenena Malagasy; olona azo antoka amin’ny fijoroana tsy misy fihatsaram-belatsihy amin’ny maha Malagasy azy tanteraka,... Mbola mitohy amin’ny endrika hafa ny fanjanahan-tany ankehitriny, ka fanaovana tsinontsinona ny rà latsak’ireo razambe ho an’ny fanafahana, hoy izy ireo, izay na tsy notononina mivantana aza dia Andry Rajoelina no tiana hasiana amin’io. Noho izany: “Fanokafana làla-masaka, famotehana ny firenena Malagasy amin’ny ho avy ny fanekena olona Frantsay ho Filohan’ny Firenena Malagasy, koa ny olom-pirenena Frantsay na mizaka ny zom-pirenena vahiny hafa iray mitazona ny andraikitra maha Filohan’ny Repoblika Malagasy dia tsy afaka miantoka ny fiandrianan’ny firenena Malagasy eo anatrehan’izay mety ho tsindrihazolena ataon’ny vahiny,…”, hoy hatrany ny ampahan’io fanambarana io. Vokany, miteraka fisarahan-kevitra lalina, henatra lehibe ho an’I Madagasikara ny fisian’ny Frantsay mitantana ny firenena amin’izao Repoblika faha-4 izao, niniana tsy nampahafantarina, ka azo sokajiana ho famitahana ny vahoaka manontolo, ka nilaza tsy handraraka ilom-by an-doha amin’ny tolom-pahafahana izy ireo. “Tsy hanaiky izany Madagasikara hanana filoham-pirenena vazaha izany, tsia androany, tsia anio, ary tsia ho mandrakizay, koa miantso ny Malagasy tsy an-kanavaka hijoro sy hiaro ny fiandrianam-pirenena. Manaingy ireo manam-pahefana rehetra na olom-boafidy na olom-boatendry na miaramila hanaja ny lalàna velona ho fiarovana ny fiandrianam-pirenena”, hoy io fanambarana io.
Toky R
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Notanterahina omaly teny amin'ny Gara Soarano ny lanonana politika fametrahana samboady ireo

Card image cap
24-juil-2024

Mitady minisitra volamena tonga dia tsy kosehina intsony fa avy dia mitondra fahazavana

Card image cap
24-juil-2024

Tsy mahafaty ny mahatsikaiky! na koa hoe «Le ridicule ne tue pas!»,

Card image cap
24-juil-2024

Aiza sy nankaiza ny Filohan’ny Delegasionina manokan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra Atoa Ramanambitana Richard ?

Card image cap
24-juil-2024

Efa mitovy salan’isa amin’ireo tantsaha mpamokatra eto amintsika izany hoe :

Card image cap
24-juil-2024

Mbola vitsy ireo vehivavy misahana andraikitra ambony na miantsehatra eo amin’ny

Card image cap